“Mba olona tokony ho efa manana ny maha izy azy ny hoe solombavambahoaka”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo, ny depiote Raholdina Naivo, voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, manoloana ny resaka ny amin’ny anto-bola 20 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho depiote. Misy fandaniana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy olona hangalatra […]
Politika
Andriamarotafika Soava: “Fifidianana izay lany fe-potoam-piasana no irosoanay”
Naneho ny heviny ny mpampakatenin’ny Ceni mahakasika ny fangatahan’ny firaisamonina sivily sasany momba ny tetiandrom-pifidianana. ”Fifidianana izay lany fe-potoam-piasana no irosoana”, hoy izy. “Hatramin’izao aloha, izay fifidianana amin’ireo olom-boafidy lany fe-potoam-piasana nofaritan’ny Ceni amin’ny maha mpanomana sy mpikarakara ary mpanatanteraka fifidianana azy no irosoanay.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpampakatenin’ny Ceni, […]
Lisi-pifidianana : manana 20 andro hanamarinana ny mpifidy
Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fampiakarana eny amin’ny foiben’ny informatikan’ny distrika (CID) ny karne momba ny mpifidy nisoratra anarana eny amin’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) izao. Avy eo, mankany amin’ny Ceni foibe hampidirana azy amin’ny fikirakirana ara-kajy mirindra. Hatramin’ny 28 febroary […]
Fivorian’ny Vondrona Afrikanina : nahazo sitraka manokana i Madagasikara
Fotoan-dehibe ho an’ny mpitondra malagasy, ny fivoriambe faha-37 ho an’ny Firenena mikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina. Anisan’ny nahazo sitraka manokana tamin’izany ny fitondram-panjakana malagasy. Notanterahina tany Addis Abeba, Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriambe faha-37 ho an’ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina. Filoham-panjakana sy filoham-pirenena maro avy eto […]
Filohan’ny Sénat tany Maroc : niantso ny mpampiasa vola ho aty Madagasikara
Nahazo fanasana manokana hanatrika ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimierandoholona avy aty Afrika sy i Amerika Latinina ary ny vondron-tany arabo, izay natao tany Rabat, Maroc, afakomaly ary nifarana omaly, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, nitarika ny delegasiona malagasy nahitana ny kestoran’ny Antenimierandoholona, ny loholona Fernand Eddie Serge. Tanjona ny […]




