Politika

Razanamahasoa Christine: “Manaja ny soatoavina repoblikanina aho”

Anisan’ireo nanatrika ny fametrahana amin’ny toerany sy ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, teny Mahamasina, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanama­hasoa Christine. Nambarany, tamin’izany, ny antony nanatrehany iny lanonana iny. “Manaja ny soatoavina repoblikana ny tenako, ka adidiko ny mamaly ny fanasana nalefa tamiko”, hoy izy. Nomarihiny fa tahaka ny […]

Fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana : “Tsy mitsodrano ny fiangonana katolika !”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR. “Tsy hisy mihitsy ny fi­tsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy mi­dika izany fa tsy ilaina […]

Fanohizana ny tolona : vonona hiatrika fifidianana ny C11

Namoaka fanambarana ny vondron’ny kandidà (C11). Naneho fahavononana amin’ ny hiatrehana ny fifidianana rehetra izy ireo saingy nametraka fepetra. Anisan’izany ny fanatsa­rana ny tontolom-pifidianana sy ny fanajana ny lalàna velona “Antoka ho an’ny fitonian’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny C11 koa ireo fitakiana efa natao mba hisorohana ny krizy […]

Fananana tsy ara-dalàna : fiara miisa 11 nataon’ny Arai lavanty

Nanatanteraka ny fanaovana lavanty ireo fananana nogiazany ny eo anivon’ny Sampandraharaha famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), omaly. Fiara maromaro izany ary mbola misy hafa koa.* Fiara miisa 11 giazan’ny eo anivon’ny Arai no natao lavanty teny amin’ ny foibeny, Imerimanjaka Am­bohijanaka, omaly, na tsy […]

Fananganana governemanta : manomboka ny pimaso amin’ny filoha Rajoelina

Efa manao tohivakana ny fanambarana, karazan’ny fitadiavan-tseza. Misy ny mametraka masontsivana amin’ireo tokony ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Maro ny fikambanana manao fanambarana. Anisan’ izany ireo tanora avy any amin’ny faritra. Ireo vondrona na fikambanana mpanohana ny filoha. Manginy fotsiny ny fi­kambanam-pivavahana. Ni­taky ny hidirana anaty governemanta ny sasany amin’izy […]