Politika

Lokanga sy valiha: Krismasy ho an’ny rehetra

Tonga indray ity ny Noely na Krismasy… Firy taona mitsingerina izay? Fety kristianina, andro fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao ho an’izay mino, te hovonjena… Foto-pinoana izay. Tonga olombelona ny zanak’Andriamanitra mba hahatonga ho zanak’Andriamanitra ny olombelona. Hatraiza no hahazoana miaina sy mivelona amin’izany? Eo […]

Randrianasoloniaiko Siteny: hidina ifotony vao hanapa-kevitra

“Hidina any ifotony haka hevitra aloha izahay. Hambarako aorian’izany ny fanapahan-kevitra amin’ny haha kandidà ho filoham-pirenena ny tenako“, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly, tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nambarany fa ilaina aloha ny mahalala ny olana eny ifotony. Tsy mitovy ny iatrehan’ny vahoaka izany sady fanajana azy ireo ny […]

KMF/Cnoe: “Mampandroso antsika ny mifampihaino”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Mazava ny nambaran’izy ireo. “Anisan’ny fototra heverina fa mampandroso ny firenena ny fifampihainoana“, hoy ny fanambarana. Nambaran’izy ireo fa nihaino ny hetahetan’ny  KMF/Cnoe  ny Ceni sy ny fitondram- panjakana . Namoaka ny didim-panjakana mamaritra ny fanalavam-potoana ny fanovana ifotony ny lisitry ny mpifidy. Milaza […]

Antoko TGV: mangataka ny hirotsahan’ny filoha Rajoelina

Nanambatra hery tetsy amin’ny PK0 Soarano indray, omaly, ny mpikambana TGV, Boriborintany I. Niray feo izy ireo ka nangataka  ny hirotsahan’ny filoham-pirenena am-perinasa hofidiana indray amin’ny taona 2023. Nanotrona ny fihaonana ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery sy ny depiote, Dimbindraibe Ratafika . Nambarany fa mila manampy […]

Fangatahan’ny Ceni: nankatoavin’ny governemanta ny fanalavam-potoana

Nivoaka ny didim-panjakana mankato ny fanalavana ny fe-potoana hanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Niainga tamin’ny alalan’ny fangatahan’ny Ceni tamin’ny fitondram-panjakana izao fankatoavana izao. Araka izany, hohalavaina hatramin’ny 31 janoary 2023 ny fe-potoana farany amin’ny fanisana mpifidy raha tokony hifarana amin’ny faran’ity volana desambra ity izany. “Nisy ny fahatarana tamin’ny fanombohan’ny fanisana […]