Politika

Fihaonamben’ny governemanta maneran-tany: miitatra ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny firenena vahiny

Fanararaotra lehibe ahafahana mifanakalo sy mifandray amin’ny firenena mpandray anjara aminy izao fihaonambe izao. Anisan’izany i Madagasikara, izay miezaka manamafy sy manatsara ny fifandraisany amin’ireo firenena mpiara-miasa aminy. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny praiministra Indianina, Narendra Modi, omaly, ao anatin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany, […]

Distrikan’i Marolambo : mangataka hijanona faritra Atsinanana

Araka ny And.143 amin’ny La­làmpanorenana, ny famoronana sy ny famaritana ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mifototra amin’ny fitoviana eo amin’ny toe-tany, toekarena, sosialy ary kolontsaina. “Ny distrikan’i Marolambo dia manana fifamatorana lalina amin’i Toa­ma­sina, renivohitry ny faritra Atsinanana, eo amin’ny lafiny voalaza etsy ambony ireo. Noho izany, mangataka hipetraka […]

Depiote Andriamampandry Todisoa : “Misy kajy politika ny tetiandrom-pifidianana”

“Misy ny kajy politika ata­on’ny fitondrana. Maninona no amin’ny 6 novambra vao ha­tao ny fifidianana ben’ny Tanàna? Nefa efa tapitra tamin’ny janoary teo ny fe-potoam-piasana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo VI, Andriamam­pandry Todisoa, momba ny volavolana tetiandrom-pifidianana. Hita hoe manitsaka lalàna ny fitondrana. Eo koa ny hoe […]

Ralambomahay Toavina: “Marefo ny mpanohitra ary toy ny tsy manana herijika hijoroana”

Fiteny mandrakariva ny hoe ilaina ny mpanohitra. Aiza ho aiza amin’izao? Manana ny fijeriny ny mpikamban’ny biraon’ny antoko Humaniste et écologiste sady mpamakafaka politika, Ralambomahay Toavina,: “Hatramin’izao aloha, marefo ny mpanohitra ary toy ny tsy manana herijika hijoroana “. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’ izao? […]

Namearison Robert : “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”

Manoloana ny tetiandro navoakan’ny Ceni, nitondra ny heviny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”, hoy izy. «Ny mampanahy ke­ly : nahoana no volana novambra ny fifidianana kaominaly?» Io ny fanontanian’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert, manoloana ny volavolana […]