Politika

Ramamimampionona Gérard : “Jerena izay maharary ny vahoaka”

“Raha te hanao asa sosialy isika, tsy maintsy mijery izay maharary ny vahoaka. Any amin’ny kaominina, na fokontany, na kartie… Misy ny sa­kafo omena izao, fa tsy azo atao ary tsy ho vita ny hizara sakafo mandavantaona”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanaovan’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. […]

Datim-pifidianana : tsy manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni

“Misy tokoa ny fanamarihan’ny olona ny amin’ny hoe manitsaka lalàmpanorenana ny Ceni, raha 9 novambra no hanaovana fifidianana fihodinana voalohany. Mihevitra ny Ceni fa tsy manitsaka lalàmpanorenana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny datim-pifidianana. Raha ny lalàmpanorenana, 19 novambra hatramin’ny 19 desambra no tokony hanaovana fifidianana fihodinana […]

Fanombohan’ny fiofanana : nanao dia an-tongotra niaraka ireo zandary USAD faha-29

Nanomboka omaly ny fiofanana ho an’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra mandrafitra ireo hery manokana eo anivon’ny zandarimaria miady amin’ny asan-dahalo (USAD) andiany faha-29. Dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy niarahan’izy ireo tamin’ny manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra lefitra miasa ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), notarihin’ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny FIGN, […]

Rajaonarimampianina Hery: nitafa tamin’ny mpanara-dia azy

Notanterahina ny alatsinainy 13 febroary 2023, teny amin’ny foibe toeran’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Ma­da­gasikara na HVM, eny Andraharo Antananarivo ny fihaonana teo amin’ny filoha mpanorina ny antoko sy ny mpanara-dia azy. Fotoana nanaovana ny tafatafa sy resadresaka taorian’ny fahatongavan’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara, ny asabotsy 11 […]

Fandriampahalemana : nahazo fitaovam-piadiana avy amin’ ny Tafika ny polisim-pirenena

Nisitraka fitaovam-piadiana ahafahany manamafy ny fandriampahalemana ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Notanterahina teny amin’ny Fip Antanimora, ny alakamisy 09 febroary 2023, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisite­ran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Fanome­zana basy sy vanja avy amin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena ny antony. Na­neho fisaorana manokana ho an’ny MDN, ny Jly Rakoto­nirina […]