Nifarana ny herinandro lasa teo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Na hisy ny fanalavam-potoana, na hivoaka ny sata manokana momba azy ireny. Tapitra ny faha-14 janoary lasa teo ny efa-taona niasan’ny ben’ny Tanàna. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mahakasika izany. Miandry ny fepetra horaisin’ny […]
Politika
Governemanta : Minisitra 15 voatazona
Mbola voatazona amin’ny toerany ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, Razafindravahy Edgard. Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle. Hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa kosa, i […]
Rabemananjara Nicolas : nahazo « Commandeur de l’ordre national »
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Villa An-fi Tv Plus, Ivanja Ambohitsoa, ny lanonana ara-panjakana, nanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Commandeur de l’ordre national malagasy» ho an-dRabemananjara Nicolas, filoha mpanorina ny vondrona Tv plus Madagascar, no sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny tapany atsimon’i Madagasikara. Rakotonarivo Donnatela, mpikambana eo anivon’ny […]
Mpikamban’ny governemanta : Miisa 12 ireo minisitra vaovao
Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian. Miisa 27 ireo minisitra amin’izany ka vaovao ny 12 amin’izy ireo. Anisan’ireo minisitra vaovao, ny misahana ny Foloalindahy, ny Jly Sahavelo Monja Delphin. Efa lehiben’ny etamazaoro, teo aloha. Hisahana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata. Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana […]
Kaominina Toamasina : samy ho kandidà ireo TGV
Nilaza ny tsy hanolotra kandidà ben’ny Tanàna eto Toamasina ny antoko miaraka amin’ny Vondron’ny kandidà (C11). Na izany aza, misy ihany ireo tsy hanaraka izany fa mety hirotsaka amin’ny anarany manokana. Efa ao anatin’ny fifampiresahana na koa fifandroritana ireo mpanohana ny filoha Rajoelina manoloana ny kandidà hahazo ny fankatoavan’ny vovonana […]




