Politika

Solombavambahoaka IRD : «Fifidianana irery ihany no lalan-tokana»

Nisy ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, mahakasika ny fanambarana nataon-dRazanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimierampirenena. Ankoatra izay, noresahina tanatin’izany fanambarana izany ihany koa ny tsy faneken’izy ireo ny fanatsaharana ny zotram-pifidianana. Nomelohin’ireto solombavambahoaka ireto Razana­ma­ha­soa Christine, filohan’ity Andrimpanjakana ity. Antony nanamelohan’izy ireo azy ny fitondrany ny anarana […]

Fikambanana miara-dia amin’ny Upar – Tanà : “Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny Renivohitra isika”

Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany […]

Kandidà Andry Rajoelina : «Tsy mila korontana isika fa fifidianana ihany»

Nitohy tany amin’ny faritra Analanjirofo ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ izany ny any Soanierana Ivongo sy Vavatenina ka namaliany ny fitakian’ny sasany. “Maro ireo mpanenjika ary milaza fa hanao Tetezamita sy hiresaka… Isika tsy mila korontana intsony. Ndao hifidy avokoa isika amin’ny 16 novambra ary ho lany […]

Fivondronamben’ny Eveka : «Avelao haneho ny heviny amin’ny fifidianana ny vahoaka»

Nanao fanambarana miompana amin’ny hoe “Inona àry no hataonay?” ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ao anatin’ny fivoriany ny 7 hatramin’ny 14 novambra izao. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny momba ny fifidianana. “Avelao haneho ny heviny sy hamaritra ny hoaviny ankalalahana sy araka ny lalàna velona amin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka”, hoy ny […]