Politika

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : tokony ho diplaomaty ny ambasadaoro

“Avy nitondra sendikà aho, anisan’ny niady ho an’izay hoe tokony ho andrianjohany matihanina no hitarika ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Syndicat des corps du ministère des Affaires étrangères (Syncor­mae) teo aloha, Randria Razakandrema, ny amin’ny nanendrena ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, izay andrianjohany na diplaomaty matihanina. […]

Filoha Rajoelina : “Tsy maintsy ahena ny fahantrana”

“Tetikasa hanavotra ny ankamaroan’ny Malagasy ny Ankohonana miarina, hanampy indrindra izay te hiarina amin’ny fiainany. Tanjona amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao fa voalohany amin’ ny fanombohana ny asa ny hoe: ahoana ny hahazoantsika mampihena ny fahantrana? Tsy maintsy ataontsika izay hampihena ny fahantrana”. Izay no nambaran’ny filoha Rajoelina, tany Arivonimamo, faritra […]

Todisoa Andriamampandry : « Mitohy ao anatin’ny ara-dalàna ny tolona »

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny solombavambahoaka, Andriama­m­pandry To­disoa, voafidy tamin’ny anaran’ ny antoko Tiako i Mada­gasikara. Nasongadiny tamin’izany ny fanentanana ny olona handray ny andraikiny sy hanatanteraka ny adidiny, indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Na­nambara ihany koa izy, ny mahakasika ny tolon’ny vondron’ny kandidà (C11), fa […]

KMF/Cnoe : “Tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”

Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Maneho ny heviny momba ireo tokony hotendrena ho PDS ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert. “Raha ny marina, tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­nabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny fanendrena Filohana delegasiona manokana (PDS) noho ny […]

Rakotoniaina Pety : “Tsy fitadiavan-tseza ny fanohanana ny filoha”

Governemanta teknisianina ny governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana faharoan’ny fitondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izao. Izay, ohatra, no tsy isian’ny olom-boafidy toy ny solombavambahoaka ho mpikamban’ny governemanta. Toy izany koa no tsy nisian’ny mpanao politika na mpitarika antoko politika izay nanohana azy tamin’ny fifidianana. “Tsy fitadiavan-tseza no nanohanana ny filoha Rajoelina”, […]