Politika

CMVP-Safid : “Ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha”

“Aleo tsy manao fifidianana alohan’ny 15 mey. Mana­raka, raha azo atao: aleo ny fifidianana depiote no handeha aloha any amin’ny fiandohan’ny jolay, ohatra. Aorian’ izay ny fifidianana kaominaly any amin’ny aogositra, ohatra”. Io ny tolo-kevitry ny avy amin’ny Cellule de moralisation de la vie publique-Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid) […]

Filoha Rajoelina Andry: “Manana adidy goavana ianareo manamboninahitra”

Niarahaba ireo manamboninahitra noho ny 12 jona, Andron’ny manamboninahitra, ny filohan’ny Repoblika. Nampita hafatra sy fampahatsiahivana azy ireo, indrindra amin’izao fe-potoam-piasana manaraka izao ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry. Nambarany fa natao hanehoana firaisan-kina sy firaisan-tsaina eo anivon’ny Foloalindahy ny Andron’ny manamboninahitra. “Nanolo-tena hanompo tanindrazana ary manana adidy goavana eto […]

Andriamanana Nivoarivony : “Tombontsoa ny fidirana anaty lisi-pifidianana”

“Hisy ny fifidianana kaominaly sy solombavambahoaka. Tombontsoa manokana ho an’ny olompirenena ny miditra ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’izany mba hahazoan’izy ireo tsirairay avy misehatra amin’izay fifidianana izay”. Io no fanehoan-kevitry ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), An­driamanana Nivoarivony, mo­mba ny fiatrehana fifidianana kaominaly […]

Vovonana Mamita : hiady amin’ny tsimatimanota, miaro ny tanindrazana

Nampahafantarina, tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Ampandrana, omaly, ny vovonana Malagasy miaro ny tanindrazana (Mamita). Miompana amin’ny foto-kevitra maromaro ny anto-pijoroany. Tafatsangana ny Vovo­nana Mamita! Anisan’ny foto-kevitra lehibe ijoroany ny famerenana ny firenena ho tany tan-dalàna sy ny ady atao amin’ny fahantrana. “Hitondra vahaolana maharitra manoloana izany isika fa tena efa […]

Foloalindahy Malagasy : vonona hiaro sy hanampy hatrany ny vahoaka

Nametraka paikady ara-teknika maro ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fia­rovam-pirenena mipariaka any amin’ny faritra ho fanamafisana ny ezaky ny Foloa­lindahy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.Tanjona amin’izany ny tsy maintsy hiakaran’ny tahan’ny filaminana manerana ny Nosy ka hamongorana ireo asa ratsy rehetra mba hitondrana fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Araka izany, nanamarika tamin’ny fomba manokana […]