“Ny leran’ny fifidianana no lera tonga amin’izao. Tsy misy fifidianana mihemotra eto. Ho tapitra amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Efa ny fifidianana no banjinina”, hoy ny depiote voafidy tao Antananarivo V, tamin’ny anaran’ny IRD, Raholdina Naivo, manoloana ny fijoroana sy fitakian’ny vovonana Lera tamin’ny […]
Politika
Senatera Etienne Blanc: “Ahina ny tsy fitoniana”
Manaraka akaiky ! Naneho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repoblikanina Étienne Blanc. Hentitra ny nambarany tamin’ny taratasy, nataony ny 26 janoary teo. “Miha mampanahy hatrany ny fitoniana politika any Madagasikara, taorian’ ny fiampangana sy nampidirana […]
Hajo Andrianainarivelo: “Aoka ho sahy hijoro ka hiteny ny tsy mety”
Namboly hazo teny Alakamisy, Ambohidratrimo ny antoko Malagasy miara-miainga, ny asabotsy teo. Lahatenin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo ny resaka politika sy ny raharaha anatin’ny antoko. Nanentanana ny tsirairay mba hanaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny filohann’y antoko MMM. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomanana ny fifidianana. “Aoka isika ho sahy […]
Fitandroana ny fandriampahalemana: tafapetraka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika
Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fitandroana ny fandriampahalemana, tafapetraka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika eny an-kianja… Notokanan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham- bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly ny ivontoerana fandrindrana ny hetsik’ireo Tafika […]
Fiarahamonim-pirenena : miantso ny fanohanan’ireo malala-tanana…
“Efa niomana sy vonona ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izahay. Anaovana antso avo anefa ireo malala-tanana mba hanohana eo amin’ny fitaovana sy ny vola, ahafahanay manatanteraka izany”, hoy ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena, tamin’ ny alalan-dRalantosoa Florence, omaly, tetsy Ampefiloha. Nambaran’izy ireo fa nanao ny ezaka ny Ceni tamin’ny […]