Politika

Minisiteran’ny Fitsarana: nohamafisina ny filaminana eny anivon’ny fonja

Namory ireo tomponandraikitra ambony rehetra eo amin’ny fitantanana ny fonja ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izany. Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny fanamafisana ny filaminana anatin’ny fonja. Tafiditra indrindra ho amin’ny fitsinjovana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny izany. “Tsy azo ekena […]

Ampahibe: nifampizara fifaliana tamin’ny ankizy ny MDN

Vavaka no nanombohana ny fotoana, narahin’ny fampisehoana nataon’ireo ankizy sy ny fandraisan’anjaran’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, teny Ampahibe. Lanonana notarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Nisy ny fifampizaran’ny MDN hafaliana tamin’ireo ankizy sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra ka nanolorany teny firariantsoa ho an’ny Noely sy […]

Governemanta vaovao Mety hitranga ny tsy ampoizina 

Hanao ahoana ny governemanta vaovao? Voalazan’ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana fa ny filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena. Azo heverina izay fanoloran’ny depiote maro an’isa anarana hanendren’ny filohan’ny Repoblika izay ho Praiminisitra. Miova ny fenitra sy ny […]

Fetin’ny Noely: niara-nifaly tamin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina

Tsy diso anjara tahaka ny isan-taona. Niara-nanamarika ny fetin’ny Noely teny amin’ireo ankizy tezain’ny Mompera Pedro, eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina dimy mianaka.   Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa hafaliana ho azy mianakavy ny fiaraha-mankalaza ny Noely eny an-toerana isan-taona. “Am-pitiavana anaty fihetseham-po no iarahana aminareo zanaky ny Akamasoa“, […]

Hafatra  Noely avy amin’ny eveka: “Aoka tsy ho zarina omena fotsiny ny mahantra…”

Nampita hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’izao fahatongavan’ny Noely sy ny taona vaovao izao. Nambaran’izy ireo fa manomboka amin’ireo mijaly sy mahantra ny tena fampandrosoana. “Tsy omena na ampiana fotsiny ireo mahantra fa ampandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina izy ireo“, hoy ny filohan’ny Fem, ny Mgr Raharilamboniaina […]