Handaha-teny ho an’ny vahoaka malagasy, tahaka ny fanao isaky ny faran’ny taona, ny filohan’ny Repoblika, ny harivan’ny alahady 31 desambra izao. Maromaro ireo olana eto amin’ny firenena tokony hovahana, andrasana amin’ny kabariny. Anisan’izany ny olana lehibe ho an’ny rehetra toy ny herinaratra sy ny rano, raha ny eto an-drenivohitra sy […]
Politika
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Fidiram-bola no maika amin’ny sosialim-bahoaka”
Anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao ny amin’ny maha olona. Inona no tena zava-dehibe maika? Maneho ny heviny ny olompirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Tsy sakafo fotsiny no mahamaika amin’ny sosialim-bahoaka, fa ny fidiram-bola”. Fanehoan-kevitra… Gazety Taratra (*): Inona no maika amin’ny hoe sosialim-bahoaka […]
Fanohizana ny tolona: nandinika ny paikady ny C11
Nivoaka omaly, ny tatitry ny fivorian’ny Vondron’ireo kandidà (C11), natao ny 26 desambra teo. Nivoitra tamin’izany ny nandinihina ny paikady hanohizana ny tolona manomboka amin’ny fiandohan’ny volana janoary, araka ny tatitra. Nohamafisina tamin’izany fa tsy miova ny foto-kevitra ijoroana sy ny notakina hatramin’izay. “Tsy misy afa-tsy ny fiverenantsika amin’ny tany […]
Hanan-danja ny fifidianana kaominaly
Efa mandeha indray izao ny hoe tsy misy kaominina hadino amin’ny fampandrosoana fa tsy ny distrika ihany. Hanao ahoana? Antenaina fa hisy fiovana ny fampandrosoana ifotony eny anivon’ny kaominina amin’izany. Eo aloha ny fahalanian’ny tolo-dalàna fanalavana fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ho dimy taona, raha efa-taona izany teo aloha. Hahazoany mamita ny […]
MFM: “Tsy misy ny fiatoana politika”
“Efa mahazatra isan-taona ny an’ny MFM, satria ny 27 desambra no fankalazana ny nijoroany”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, ny amin’ny tsingerin-taona nijoroan’ny MFM anio, 27 desambra 1972. Tsy hisian’ny fiatoana politika ao anatin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izany, fa misy zavatra […]




