Nahitsy sy hentitra tanteraka ny hafatra. Notanterahina tetsy amin’ny fiangonana Anglikanina, Ambohimanoro, omaly, ny herinandro fiaraha-mivavaka, notarihin’ny FFKM. Nitodika manokana amin’ny mpitondra sy ireo mpanara-dia azy ny ankamaroan’ny hafatra tamin’izany. “Aoka samy ho dodona hihaino fa tsy maika hiteny na halaky tezitra… Mitaona antsika hifikitra hatrany amin’ny Tompo”, hoy izy […]
Politika
Fitantanana Andrimpanjakana : tsy mihevitra ho filohan’ny «Sénat» Ratsirahonana
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ny antoko Avi, teny Ivato, omaly. Niatrika izany na efa nisotro ronono aza, ny mpanorina, Ratsirahonana Norbert Lala. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe ny tenany. “Tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona izany aho ary tsy mieritreritra ny hanao na inona na inona intsony. Tsy hanaiky hotendrena na […]
KMF/Cnoe : “Tsy fotoana fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena izao”
Namoaka fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/ Cnoe, omaly. “Tsy fotoan’ny fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena samirery izao. Aoka samy hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hanalavitra ny hevitra mety hiteraka korontana, tsy hahasoa ny firenena. Fotoana izao ilana ny fahaiza-manao sy ny fifanakalozan-kevitra”, hoy ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo fa […]
Faritra Bongolava: haongan’ny olom-boafidy ny governora
Raikitra ny hetsika fitakiana ny hanesorana ny governoran’ny faritra Bongolava. Nidina an-dalambe ireo vahoaka sy ireo tompon’andraikitra mpitantana sasany, nanohana izany. “Feno ny kapoaka, satria tsy misy asa fampandrosoana ny eo anivon’ny faritra Bongolava. Manoloana izany, mivondrona mampiseho hevitra ny rehetra. Fanehoan-kevitra no natao androany hanairana ny fanjakana foibe ho […]
Fikambanana IFI : manohana ny filatsahan’ ny filoha Rajoelina
Nanambara ny fikambanana IFI fa manohana hatrany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety teny Tsiadana, omaly. Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroany hatrizay izy ireo fa manohana sy manome tanana hatrany ny fitondram-panjakana, ankehitriny. «Hanome hery sy ny fahaizana rehetra ho fiaraha-miasa amin’ny fitondrana izahay”, hoy […]