Politika

Fiaraha-miasa ara-tafika : nandray anjara tamin’ny « EDEX 2023 » ny MDN

Notanterahina tany Egyp­ta, ny herinandro teo, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « EDEX », « Egypt De­fen­ce Expo 2023 », Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblikan’i Arabo any Egyp­ta sady filoha faratampon’ny Tafika egypsiana, Abdel Fata El Sisi. Ny Tafi­ka egypsiana no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany hetsika anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo fampirantiana ara-piarovana aty amin’ny ta­pany avaratr’i Afrika. […]

Rajoelina Andry : mitohy ny fijerena ny mahararin’ny vahoaka

Nidina ifotona nijery sy namantatra ny toe-javamisy iainan’ny vahoaka sy nitafa tamin’izy ireo, ny filoha voafidy Rajoelina Andry. Notsindriny mafy, tamin’izany, fa vonona ny fitondram-panjakana hotarihiny hamaha ireo olan’ny vahoaka. Nitohy omaly, teny Ampe­filoha Ambodirano sy Anosibe Zaivola ary Andranomena, ny fidinana ifotony, nijerena ny marary sy ny manahirana ny mponina ary nizarana ny […]

Fandrindrana ny tohin’ny tolona : nanangana ny «Cellule de crise» ny vondron’ny kandidà

Nambaran’ny vondron’ny kandidà «C11», omaly, fa tafatsangana ny «Cellule de crise». Natao hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao izany. Etsy andaniny, efa namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny eo anivon’ny C11. Natao hanatsarana ny lalàna efa misy izany, araka ny nambaran’izy ireo […]

Fianianan’ny filohan’ny Repoblika : hiatrana ny Emmo/Nat, voarara ny hetsika politika

Hentitra ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nampitandrina ireo halaim-panahy hanakorontana izy ireo amin’izao hanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana izao. Nambaran’ny prefet de police, ny Jly Ravelo­narivo Angelo fa hihamafy kokoa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana. “Voarara ny hetsika […]

Fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimiera : Depiote 74 amin’ireo 132 no nifidy an-dRaholdina Naivo

Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’Antana­narivo. Voafidy tamin’izany ny solombavambahoaka, Rahol­dina Naivo, tamin’ny isam-bato 74 amin’ireo depiote miisa 132, nifidy. Nifaninana taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Antanifotsy, Rafidi­manana Narson. Na­hazo vato miisa 58 amin’ireo solombavambahoaka 132 ny tenany […]