Tafiditra amin’ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ny fitakian’ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitondra sosokevitra sy nanao tatitra amin’ny alalan’ny vahaolana izy ireo. Nisongadina tamin’ny famoahan’ity rafitra ity izany tatitra izany fa mbola olana goavana sy sakana lehibe amin’ny fampandrosoana […]
Politika
Fanapahan’ny filankevitry ny minisitra : novana hisoroka krizy sy ny korontana ny CFM
Nasiam-panovana tsy ho toy ny teo aloha. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny hampihenana ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). “Anisan’ny hifantohan’ny andraikitr’ity rafitra ity manomboka izao ny fisorohana ny korontana sy ny krizy eto amin’ny firenena”, hoy ny tatitra. Niompana amin’ny fampihavanana no […]
Teza : “Tany demokratika i Madagasikara”
“Mampiseho ireny fa tsy misy afaka maneho hevitra eto Madagasikara”, hoy ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, manoloana ny fisian’ny fiantsoana mpanao politika hanaovana fanadihadiana noho ny fanehoan-kevitra. Izay mitondra teny fanoherana na fanakianana dia ampitahorina sy ampiantsoana eny amin’ny brigadin’ny heloka bevava. Tsy mety amin’ny firenena ireny. Tany demokratika […]
Fifidianana ben’ny Tanàna: tombanan’ny Ceni amin’ny marsa 2024
“Any ankoatra ny volana marsa ny fifidianana ben’ny Tanàna. Raha hajaina ny fanao hatramin’izay: raha mifarana volana jona ny fe-potoam-piasan’ny depiote, tokony ho any amin’ny mey ny fifidianana amin’izany”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Raha ny marina, tokony ho amin’izao […]
Ramavoarihanjasoa Hasinanirina : “Tsy ny anio ihany ny sosialim-bahoaka, fa ny ampitso sy ny manaraka”
Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny filoha mpanorina ny fikambanana Ny Hasin’ny Fifankatiavana, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah:”Tsy ny anio ihany ny sosialim-bahoaka, fa ny ampitso sy ny manaraka”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Fahitanao ny hoe sosialim-bahoaka amin’izao? Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah (-): Amin’ny maha filohana […]




