Mangingina ratsy ny tontolo politika amin’izao? Miandry ny fanatanterahan’ny filohan’ny Repoblika fianianana eny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Hanao ahoana? Misy ny ambana amin’ny mety hisian’ny fanakorontanana mialoha na amin’io andro io. Manoloana izany, efa nisy fampitandremana nataon’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry : nitondra ny teny fiarahabana ny filoha Sinoa, i Xi Jinping
Mbola manao ranolava hatrany. Anisan’ireo filoham-pirenena niarahaba ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fe-potoam-piasana faharoa hitantana ny firenena izao ny filohan’i Sina, i Xi Jinping. Nivoitra tamin’izany taratasy firariantsoa izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ho amin’ny fampandrosoana. “Vonona izahay ny hiara-hiasa amin’ny filoha Rajoelina Andry […]
Fanavaozana ny lisi-pifidianana : nametraka paikady fanentanana ny fokontany
Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asan’ireo komity mpanisa mpifidy (CLRE) ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny paikady fanentanana ampiasain’ny fokontany any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny fivoriam-pokonolona sy ny fitetezana isan-tokantrano. Manampy izany ny fametrahana petadrindrina amin’ny toerana be mpandalo, toy ny amin’ny […]
Otrikafo : “Tsy tokony hanavahana olona ny asan’ ny Arai”
“Mahafinaritra kokoa ny ezaka sy ny asa, raha tsy anavahana olona izay atao”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny asan’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), amin’ny fanagaziana fananana azo amin’ny kolikoly na […]
Minisiteran’ny Serasera : “Tokony hanaja ny etika hatrany ny mpanao gazety”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina MSK, tamin’ny zoma. Natao izany, manoloana ireo tranga fiahiahiana ny mpanao gazety ho miantso fiokonan’ny miaramila. Notsiahivin’ny minisitera tamin’izany fa iantohan’ny Lalàmpanorenana tokoa ny zo ho amin’ny fahafahana maneho hevitra sy ny zo ho amin’ny fanomezana vaovao. “Voafetra ihany anefa […]




