“Tsy izahay no mangataka fivoriana tsy ara-potoana, fa mila laharam-pahamehana maika eto”, hoy ny depiote, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, manoloana ny resaka ny mety hisian’ny fangatahan’ny depiote fivoriana tsy ara-potoana. Ny momba ny fanaovan-tsonia, ohatra: misy vola indramintsika na omen’ny mpiara-miombon’antoka. Tsy tapahin’ny filohan’ny Repoblika na Praiminisitra avy hatrany ireny, fa […]
Politika
Fifidianana filoham-pirenena: mangataka an-dRatsiraka Annick ho kandidà ny Arema
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Faravohitra ny eo anivon’ny antoko Arema, ny alahady teo. Voaresaka tamin’izany ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vinan’ny antoko. Vory lanona teny an-toerana avokoa ireo “Comité directeur” sy ny sekretera nasionaly lefitra avy amin’ny faritany enina ary ireo rantsa-mangaikan’ny antoko. Anisan’izany ny tanora […]
Minisitra Ramaroson Andry : “Tsy rariny ny toritenin’ny Pasitera”
« Tsy mendrika ho an’ny filoham-pirenena manana ny hasiny sy ny maha izy azy ny tenin’ny Pasitera Andriamampianina Zaka, nandritra ny fotoam-bavaky ny FJKM teny Antsonjombe », hoy ny ministry ny Angovo, Ramaroson Andry. Niaiky ny tenany fa tsy tonga lafatra ny eto. Mbola betsaka ny tsy vita saingy tsy rariny ireny, […]
Ceni : “Hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena”
“Iza no miteny hoe tsy ho raikitra ny fifidianana filohan’ny Repoblika?” hoy ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fiarahaban’ireo rantsamangaikan’ny Ceni, faritany Antananarivo, azy teny Alarobia, ny faran’ny herinandro, manoloana ny fangatahana ny momba izay fifidianana hatao. Araka izany, fifidianana filohan’ny Repoblika no hatao amin’ity taona ity. […]
Fanovana governemanta: mitaky fikaonandoha ny HPM
“Tsy ratsy ny fisokafana. Raha hanao an’izany ihany ny fitondrana: ataovy aloha ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny Hery politika mitambatra (HPM), Ralison Roger, ny amin’ny hoe fanovana na fanamboarana ny governemanta. Izay havoakan’ny fikaonandoham-pirenena izay, fantatra ny vonona hiditra ao amin’ny governemanta. Manara-maso ny fampiharana ny fanapahan-kevitra […]