Politika

DEPIOTE SY NY governemanta : hovaliana an-tsoratra ny fanontaniana

Nisy ny taratasy avy any amin’ny Primatiora amin’ny fa­maliana an-tsoratra ny fanontanian’ny depiote, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimie­rampirenena, Ranazamahasoa Christine, tamin’ireo depiote tonga nivory teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fifanatrehana amin’ny governemanta izay to­kony hatao rahampitso. Ny dikan’izany: mety ho tonga ny governemanta fa tsy hamaly mi­vantana fa handray ny […]

Lisitry ny mpifidy : Azo atao ny fanavaozana manokana

“Voafaritry ny lalàna ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale). Ma­nomboka ny 1 desambra ka hatramin’ny 15 mey ny taona manaraka”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­ma­rotafika Soava, amin’izao Rale izao. Entanina ny tsirairay ha­natona ny fokontany fa ny lisi-pifidianana amin’izao ihany no hampiasaina. Mety hitranga koa ny fanavaozana manokana hiatrehana fifidianana. […]

Rabeson Heriniaina : “Mba hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondram-panjakana”

Vita iny ny fifidianana. Ahoana ny ho tohin’ny raharaham-pirenena? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny filohan’ny fikambanana Tanora miara-miasa (TMM), Rabeson Heriniana: “Mba hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondram-panjakana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Fahitanareo ny fifidianana teo amin’ ny maha mpanara-maso anareo?    Rabeson Heriniaina (-): Tamin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : niarahaba i Maraoka sy i Sina

Tsy mbola nifarana ! Nia­ra­haba sy nirary soa ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka malagasy ny fanjakana Ma­raokanina sy Sinoa. Nampita ny hafatra, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Wang Wenbin, ny filohan’i Sina amin’izao nahavoafidy indray ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, izao. Nivoitra tamin’izany ny fiderany […]

Fanapahan-kevitry ny CSM: miisa 500 ny famindran-toerana ireo mpitsara

Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fiarahabana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nisy ny fisaorana ireo birao teo aloha. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriama­nantenasoa Landy Mbo­latiana, sady filoha lefitra tamin’izany fa tsy mora ny asa tao anatin’ny telo taona nefa tsy maintsy notanterahina. Anisan’izany ny fanapahan-kevitra miisa […]