Mirarakompana ny fiarahabana ataon’ny filoham-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahalaniany. Efa manatrika ny hetsika momba ny tontolo iainana COP 28 any Dubaï ny tenany, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nitondra ny fiarahabana sy ny firariantsoa amin’izao hitondran’ny filoha Rajoelina Andry […]
Politika
Filohan’ny HCC : “Aoka hohajaina ny safidim-bahoaka”
“Miantso an’izay resy tamin’ny fifidianana mba hahatsapa tena sy hanaja ny safidim-bahoaka. Fa ny feom-bahoaka dia feon’ Andriamanitra.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana, teny Ambohidahy, omaly. Araka ny And. voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana, anisan’ny fototra iorenan’ny Repoblika ny demokrasia. […]
Rajoelina Andry : « Hafainganina ny fampandrosoana »
Nanambara ny fahavononany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mandritra io fitondrany manaraka io, Rajoelina Andry, filoha voafidy nandritra ny fifidianana farany teo. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny valin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, natao ny 16 novambra 2023. Nambara tamin’izany ny fandresen’ny kandidà laharana […]
Fankatoavana ny voka-pifidianana : niarahaba ny filoha Rajoelina ny iraisam-pirenena
Namoaka fanambarana ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ahitana ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny solontenan’ny Frankofonia (OIF), ny masoivohon’i Alemaina, Korea, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni ary i Soisa. Nankato ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC avokoa izy ireo. Na izany aza anefa, niantso ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izy ireo hitondra […]
Rajoelina Andry : voafidy ho filohan’ny Repoblika indray
Voafidy fanindroany ho filohan’ny Repoblika indray ny kandida Andry Rajoelina. Nahazo vato 58,96% tamin’ny fihodinana voalahany izy. Fianianana sisa andrasana. Efa nampoizina. 58,96% ny salanisan’ny vato azon’ny kandidà lah.3 “Ambara fa voafidy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany Rajoelina Andry”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana […]




