Tsy niandry ela, niasa sy nitsidika ny vahoaka sahady ny filoha Andry Rajoelina, andro vitsy taorian’ny namoahana ny voka-pifidianana. “Tsy maintsy hiasa ho an’ny vahoaka” hoy izy, tanatin’izany fidinana ifotony nataony izany. Tontosa omaly, teny amin’ny kianja ANS Ampefiloha, ny fizarana ny “Hazavana ho anao”, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]
Politika
Raderanirina Sendrison: « Mbola manana ny fifidianana depiote ny vahoaka… »
Efa tokony hifantoka amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna indray ny rehetra. Io ny hevitra nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniela. “Tany demokratika i Madagsikara ka ny fanarahana sy fanajana ireo fitsipika mamaritra izany no anisan’ny fanehoana izany”, hoy Raderanirina Sendrison Daniela, kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo. Niantso ny rehetra, indrindra ny vahoaka […]
Depiote “Del kely”: “Ravao any ny Antenimiera fa tsy olana…”
Nitondra ny heviny, manoloana ny feo mandeha amin’ny mety handravana ny Antenimierampirenena ny depiote, Razara Pierre Fidèle na i “Del kely” tao amin’ny Miara-manonja (MM). “Ravao ny Antenimierampirenena fa tsy olana izany. Hijoro hatrany izahay ary aza matahotra izany isika depiote”, hoy izy. Notsiahiviny fa manohana hatrany ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Razanamahasoa Christine, […]
Lapa maitso Anosikely: efa tonga nivory ny loholona Razafimahefa Herimanana
Efa anisan’ireo loholona miisa 10, niatrika ny fivoriana tetsy Anosikely, omaly, Razafimahefa Herimanana. Nivory ary nanapaka ny lahadinika hatramin’ny fiafaran’ny fivoriana ara-potoana faharoa eo anivon’ny Antenimierandoholona ny tenany. Anisan’ny handraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ankapobeny ho an’ny taona 2024, hotanterahina ny zoma izao. Hitohy ny talata izany handaniana […]
Minisitra Sheikh Shakhboot: “Filamatra amin’ny fahaiza- mitarika ny filoha Rajoelina”
Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahin’i Emirats Arabes-Unis, ny Sheikh Shakhboot bin Nahyan AlNahyan, ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fihaonana an-tampony ho an’ny Cop 28, tanterahina any Dubaï izao. Niaiky ny haitariky ny filoha ity minisitra ity. Niarahaba ary nidera manokana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tenany tamin’izany, ankoatra ny fiarahabana sy ny firariantsoa, […]




