Nanao fanambarana, manoloana ny fiparitahan’ny resaka fivarotan-jaza ao amin’ny distrikan’Ikongo ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. Nanatanteraka fanangonam-baovao sy fanamarinana teo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana, olom-boafidy sy firaisamonim-pirenena any an-toerana izy ireo. “Tsy voamarina hatreto ny fisian’ny tranga fivarotan-jaza any an-toerana”, hoy ny CINDH. Nambaran’izy ireo fa […]
Politika
Tsy fifankahazoan’ny samy depiote: niaro ny kestora Jean Michel ireo ben’ny Tanàna
Nohelohin’ireo mpitazona hazomanga, mpandrindra fiarahamonina ary ireo ben’ny Tanàna miisa 16 amin’ireo kaominina 21 any amin’ny distrikan’Ambovombe Androy ny depiote any an-toerana, i Milavonjy. Ambaran’izy ireo fa nametavetana sy nanaratsy ary nanalabaraka ny depiote Jean Michel Henri, voafidy tao Ambovombe sy ny mpitondra isan-tokony io solombavambahoaka io. “Tsy rariny intsony […]
Fitantanana sy andraikitra: mizara ny hafaliany fony mpanao gazety i Fano Rakotondrazaka
Iza izy ? Rakotondrazaka Fanomezana Espéré na i Fano Rakotondrazaka. 52 taona. Manam-bady, manan-janaka mianadahy. Mankafy ny mizaha tany ka mahita sy miaina ny fomban’ny faritra sy ireo foko samihafa. Anisan’izany ny nanatrehany ny fomba fandevenana tany Bezaha Mahafaly, ny nandehanana ny lalana avy any Taolagnaro mivoaka any Vangaindrano… “Tena […]
Taona vaovao: niantso fifankatiavana ny PSD
Namoaka fanambarana amin’izao fiandohan’ny taona izao ny eo anivon’ny antoko PSD, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Bezaza Eliana. Nirary izy ireo ary tsy mitsahatra ny mangataka amin’i Zagnahary Tompontsika ny ahafantaran’ny mpiray tanindrazana tsirairay ny fiadanana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana, ny fameloman-tena sy ny firoboroboan’ny fihariana. “Enga anie hitoetra eto amintsika […]
Depiote Razafintsiandraofa Jean-Brunelle : “Azo porofoina ny fivarotana zanaka any Ikongo”
“Misy ary zavatra nisy io. Ny vadiko manatanteraka asa sosialy any amin’ny distrikan’Ikongo efa nitondrana ray aman-drenina zaza indroa miantoana, tamin’ny novambra sy desambra 2022. Nivarotana olona zaza ny vadiko”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, ny depiote voafidy tany Ikongo Razafintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Ivato, omaly. Nomarihina fa […]