Politika

Fikasana hanongam-panjakana : hotsaraina amin’ny 16 janoary ireo kolonely roa

Hiandry ny fitsarana azy amin’ny herintaona. Notsiahi­vin’ity tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ity fa nentina tetsy amin’ny fampanoavana Anosy, afakomaly, izy roa lahy ireo noho ny fiampangana amin’ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanakorontanana mialoha iny fifidianana filoham-pirenena iny. “Eo koa ny fitarihana hitarika andiana miaramila hikomy”, hoy ihany ny Tonia […]

Valim-pifidianana : havoakan’ny HCC ny zoma izao ny vokatra ofisialy

Enina andro taorian’ny an’ny Ceni, hamoaka ny valim-pifidianana ny avy amin’ny HCC. Manana hatramin’ny 4 desambra izy ireo, raha ny voafaritry ny lalàna, saingy ny voalohan’ny desambra izao no nambarany hamoahana izany. Hotanterahina ny zoma 1 desambra 2023 izao, eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena Ambohida­hy, ny lanonana […]

Antoko Hiaraka isika : “Tsy mendrika krizy intsony ny firenena”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Hiaraka isika, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, farany teo. “Tsy misy mahazo tombony amin’ny savorovoro ary tsy mendrika krizy intsony ny firenentsika. Ny fampandrosoana no tokony hiarahana misalahy amin’ izao fotoan-tsarotra maneran-tany izao sy ny maha firenena mbola marefo antsika anatin’ ny fifampiankinana […]

Famoahana ny voka-pifidianana : namaly ny fanakianana azy ny Ceni

Nitondra fanazavana ma­noloana ny fiampangana na koa ny fanakianana azy ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ ny mpampaka-teny, i Soava Andriamarotafika. Tao anatin’ izany ny filazana fa nihazakazahana sy nirotorotoana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Nambarany fa efa mazava ny tetiandro nofaritana tany am-piandohana ny hanaovana ny fifidianana ny 9 […]

Fikirakirana voka-pifidianana: fitoriana sivy no voarain’ny HCC

Efa ao anatin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny HCC amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ izany koa ny fandraisana ireo fitarainana na fitoriana. Ny tsy fanarahan-dalàna hita nandritra ny fifidianana no fitoriana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny, Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly. […]