15 ny antontan-taratasin’ ady voaray fa avy amin’ny kandidà roa sy ny mpanohana azy: ny lah. 3 Rajoelina Andry sy ny lah. 13 Randrianasoloniaiko Siteny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny voka-pifidianana. Fito andro ny voalazan’ny lalàna tokony […]
Politika
Fotodrafitrasa eny ifotony: hahazo birao ny faritra Ambatosoa sy Vatovavy
Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny fametrahana vokatra na “Produit” sy toerana na “Localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra amin’ny famindrana sorabola anaty fandaharanasa “Aménagement de crédit” ahafahana manorina ireo birao ho an’ny faritra Ambatosoa sy ny any Vatovavy izany ary […]
Rajaonarison Sendra : “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena”
Ahina sy voizin’ny sasany hatrany ny hoe mety hisian’ny krizy politika aorian’ny fifidianana. Mahabe adihevitra… Maneho ny fijeriny ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ONG Zoako, Rajaonarison Sendra: “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena amin’ny fandraisana izay filohan’ny Repoblika vaovao voafidy eo”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-maso ny fifidianana teo? […]
Tetibolam-panjakana 2024 : lohalarana ny fanatsarana ny sosialy
Mitotaly 12 706 miliara Ar ny fitambaran’ny tetibola ho an’ny taona 2024. Voafaritra ao anatin’izany ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny famelabelaran-kevitra amin’ ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola […]
Tetiandron’ny Ceni : hatao mialoha ny volana mai ny fifidianana ben’ny Tanàna
Efa maka bahana. Anisan’ ny nambaran’ny filohan’ ny Ceni, ny sabotsy teo, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote amin’ny taona ho avy. Tombanan’izy ireo hatao amin’ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2024 izany, araka ny nambarany. Vinavinaina izany fa hatao mialoha ny volana […]




