Politika

KMF/Cnoe: “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”

Adihevitra amin’izao ny amin’ny tetibola hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity. Ampy sa tsia? “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena. “Mora ny miteny hoe atao avo telo na efatra heny ny tetibolan’ny fifidianana. Tsy any ny olana. Tokony hohazavain’ny governemanta ny […]

Belo Tsirihibina – Kaominina Tsimafana: miverina amin’ny asany ny ben’ny Tanàna

Taorian’ny fitanana am-ponja azy noho ny fanendrikendrehana, nahazo fahafahana madiodio ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Tsimafana, i Haky Tsi­midary. Noho ny tsy fahasalamana nahazo azy, nitsabo tena teto an-dRenivihotra izy ka niverina nitodi-dohy nihazo an’i Belo Tsiribihina, ny alarobia 28 desambra lasa teo. Nandritra ny fitsenan’ny mponin’ny kaominina ao an-toerana […]

Depiote Raholdina Naivo: “Volabe ny fivoriana tsy ara-potoana”

“Raha manao fivoriana tsy ara-potoana, mbola volabe io. Hatramin’izao aloha, raha izaho manokana no anontanianareo: tsy mbola hahahaino aho… Ny amin’izay fangatahana fivoriana tsy ara-potoana izay io”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Antananarivo V, Raholdina Naivo, ny amin’ny resaka mandeha hoe hisy fangatahana ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana […]

Fanamafisana orina ny antoko: manoka-baravarana ho an’ny rehetra ny HVM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny HVM any Fran­tsa, omaly. Niantso ny rehetra te hanamafy ny antoko izy ireo tamin’izany. “Ndao hiaraka aminay. Midira ho mpikambana raha manahy ny amin’ny hoavinao, ny hoavin’i Madagasikara, indrindra fa ny hoavin’ny taranaka ianao”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny fanambarana fa very hevitra manoloana ireo toe-javatra […]