Politika

Fanohanana ny PEM : hanampy amin’ny angovo ny Egyptianina

Hivelatra amin’ny sehatra hafa ho amin’ny fampandrosoana. Hifarana tsy ho ela ny fe-potoana iasan’ny ambasadaoro Egiptianina teto Ma­dagasikara, i Usama Saeed Khalil. Noraisin’ny Praimi­nisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo ny tenany, omaly. Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina indrindra sady nanamarika […]

Toe-draharaham-pirenena : tsy manana ahiahy ny Vondrona afrikanina

“Amin’izao fotoana izao aloha, tsy manana ahiahy ny amin’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara izahay. Velona sy mihetsika ny fiainana politika eto. Izay. Miara-miasa ny rehetra mba hanamafisana ny fandriampahalemana”, hoy ny solonte­nan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, taorian’ny atrikasa teny Ivandry, afakomaly, momba ny toe-draharaham-pirenena, tao­rian’ny fitsipaham-pitokisana […]

Fitsipiham-pitokisana : nisy lainga sy fitaka ny amin’ny fanaovan-tsonia

Tsy nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fikasana hanaovana latsa-bato ny fitsapaham-pitokisana, fa zavatra noforonina ary natao niharihary teo imason’ny vahoaka ny lainga sy ny famitahana ta­min’izany, araka ny fanaza­van’ny avy amin’ny vondrona parlemantera GPR, ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Jo­hasy Eléonore, momba ny fanangonan-tsonia tamin’iny […]

“Raharaha volamena 73, 5 kg”: nohenoin’ny Pac ireo vavolombelona miisa 80

Nitohy omaly ary mety ho nandoaka alina ny fiakaran’ny “Raharaha volamena 73,5 kg”, naondrana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha. Nohenoin’ny mpitsara avokoa ireo vavolombelona maromaro. Miisa 80 ireo vavolombelona nohenoin’ny teo anivon’ny fampanoavana. Eo ireo najoro, naneho ny fiarovana […]

Etazonia sy Afrika: manamafy ny fiaraha-miasa

Nandray anjara tamin’ ny fikaonandoha lehibe ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra amerikanina sy afrikanina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana. Ho an’ny omaly, nikasika ny habakabaka izay nampiseho ny fandalinana eo amin’ny ara-tsiansa sy ara-barotra eny ana habakabaka. Anisan’ny hahafahana mamaha olana eo amin’ny toetr’andro, ny […]