“Ankehitriny, miova be ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta. Hanao fianianana izy ireo sady hanao taratasy fametraham-pialana avy hatrany. Lasa avy hatrany rehefa tsy mahomby”, hoy ny mpandrindra ny Vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry, momba ny fananganana governemanta. Azo eritreretina aza fa somary hampatahotra ihany ny hiditra ho […]
Politika
Vinavina tetiandro avy amin’ny Ceni : hatao mialoha ny avrily ny fifidianana ben’ny Tanàna
Ho tapitra tsy ho ela ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Efa miketrika ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny Ceni. Tafiditra ao anatin’ny lahadinik’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny fandinihana ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, miaraka amin’ny mpanolotsaina. Anisan’ny horesahan’izy ireo […]
Fampiharana lalàna: mitsipaka ny fitanilana ny antoko MMM
Naneho hevitra ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa tena mibaribary ny fitanilana amin’ny fampiharana ny lalàna. “Tsy mba voakasika na voakitika ireo tafiditra amin’ny raharaha maloto rehefa olona akaiky ny mpitondra na iray antoko aminy”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny momba ilay “Raharaha […]
Fanavaozana lisi-pifidianana : mila mandray andraikitra ny olompirenena
“Ny olompirenena no mila mahalala sy manao ny andraikiny, fa tsy ny Ceni hatrany no omen-tsiny”, hoy ny mpanolotsain’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale). Andraikitry ny fiarahamonina sivily sy ny antoko politika koa ny mampahafantatra izany amin’ny olompirenena. Tokony hiarahana ny fanabeazana olompirenena. Mety […]
Depiote Johasy Eléonore : “Mila manova fomba fiasa ny governemanta eo”
“Fantatra fa misy lalan-tsaina na toromarika vaovao momba ny sosialim-bahoaka mivoaka. Ny Praiminisitra Ntsay Christian ve no heverina fa hahatafavoaka sy hahatanteraka an’izay?”. Io no fanontanian’ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, i Johasy Raharisoa Eléonore. Eo ny fanamafisana ny toekarena amin’ny alalan’ny fanorenana sy fanohanana ny orinasa eo amin’ny […]




