Naneho ny heviny avy hatrany, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ny sabotsy teo, ny kandidà Andry Rajoelina. Nambarany fa manam-pahendrena ny vahoaka. “Ankehitriny, tsapa fa manana fahendrena ny vahoaka malagasy, indrindra tsy manaiky korontana na korontanina intsony”, hoy ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, taorian’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana […]
Politika
CEMAC : « Fakan-tahaka ny fifidianana teto Madagasikara »
Tontosa omaly alahady, teny amin’ny Ibis Hotel Ankorondrano, ny fanambarana ny tatitra ofisialy avy amin’ny Communauté économique et monétaire de l’Afrique Centrale (CEMAC) momba ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara. Fifidianana nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, teo amin’ny fikarakarana sy fizotra ary ny famoahana no nisy teto Madagasikara, na dia teo aza […]
Voka-pifidianana vonjimaika : voafidy amin’ny vato 58,95% ny kandidà Andry Rajoelina
Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika, ny sabotsy teo, ny eo anivon’ny Ceni. Nibata ny fandresena tamin’izany ny kandidà Andry Rajoelina. Mahatratra 2 856 090 ny vato azon’ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, manome ny taha 58,95%, araka ny voka-pifidianana filohan’ny Repoblika navoakan’ny Ceni, teny Alarobia, afakomaly. Manaraka, ny kandidà lah. 13, […]
Rija Rajaonah : « Mila hajaina ny safidim-bahoaka »
“Mila hajaina ny safidim-bahoaka”, hoy i Rija Rajaonah, anisan’ny mpitarika ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRK) ao Avaradrano, omaly. Manoloana ny fivoahan’ny voka-pifidianana anio, tsy ilaina intsony ny fanoherana mifototra amin’ny fitadiavan-tseza. “Ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fari-piainan’ny Malagasy mpiara-belona no imasoana izao”, hoy izy. Raha ny […]
Zotram-pifidianana : fitoriana roa no voarain’ny HCC
Efa misy fitoriana roa avy amina kandidà voarain’ny eto anivon’ny HCC, hatramin’ny omaly, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Karazana roa ny fifanolanana momba ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna. Eo ny amin’ny zotram-pifidianana amin’izay tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra na ny androm-pifidianana […]




