Politika

Minisitra Razakaboana Hanitra : “Hodiovina ny asam-panjakana”

Nandray ny asany, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana. “Maika ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny asam-panjakana, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanadiovana amin’ny fidirana eo anivon’ny asam-panjakana. […]

Rakotovao Rivo : « Ho maro ny ben’ny Tanàna mety higadra »

“Tena ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna izao ny tsy mbola anaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Ho be dia be indray ny ben’ny Tanàna mety higadra, fa teren’ny mpiara-monina amin’ny fanapahan-kevitra”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo. Fanambarana nataony manoloana ny tsy mbola fahatanterahan’ny fifidianana ben’ny […]

Fitantanana kaominina : ho avy ny sata manokana hifehy ny ben’ny Tanàna

Nifarana ny herinandro lasa teo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Na hisy ny fanalavam-potoana, na hivoaka ny sata manokana momba azy ireny. Tapitra ny faha-14 janoary lasa teo ny efa-taona niasan’ny ben’ny Tanà­na. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mahakasika izany. Miandry ny fepetra horaisin’ny […]

Governemanta : Minisitra 15 voatazona

Mbola voatazona amin’ny toerany ny minisitry ny Fitsa­rana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, Razafindravahy Edgard. Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle. Hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa kosa, i […]

Rabemananjara Nicolas : nahazo « Commandeur de l’ordre national »

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Villa An-fi Tv Plus, Ivanja Ambohitsoa, ny lanonana ara-panjakana, nanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Com­man­deur de l’ordre national malagasy» ho an-dRabe­mananjara Nicolas, filoha mpanorina ny vondrona Tv plus Madagascar, no sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny tapany atsimon’i Madagasikara. Ra­kotonarivo Donnatela, mpikambana eo anivon’ny […]