Politika

Tamami: “Mba hisokatra ny governemanta”

“Nandalo olana politika isika nandritra izay dimy taona lasa izay. Niroso ihany ny fifidianana, iny niaraha-nahita iny. Firenena iaraha-manana ity. Marina fa tsy mitovy avokoa ny feon’ny mpanohitra”, hoy ny filohan’ny antoko Ta­nora Malagasy miroso (Ta­mami), Samiary Floriot, mo­mba ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Na izany aza, manana adidy aman’andraikitra […]

KMF/Cnoe : “Ny fifidianana depiote no tokony hatao aloha”

“Tokony ho ny fifidianana solombavambahoaka no mandeha aloha vao ny fifidianana ben’ny Tanàna izay efa hahemotra hatrany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Name­arison Robert, momba ny fifidianana hatao manaraka eo. Raha ny lojika amin’izao, ny fifidianana parlemantera ny fifidianana fihodinana faharoa amin’izao. Io fifidianana depiote […]

Andriamarotafika Soava: “Hampanano sarotra ny fampiarahana fifidianana kaominaly sy depiote”

Ny fifidianana kaominaly sa ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha? Na azo ampiarahana izy roa… Maneho ny fijeriny ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fifidianana manaraka eo? Andriamarotafika Soava (-): Raha ny amin’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, amin’ity janoary ity no […]

Angovo avy amin’ny masoandro: mihazakazaka ny fametrahana toby, miisa 46

Mandeha ny fanatanterahana ny fametrahana Toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, parc so­laire, (PS), miisa 46. Anisan’ny hisitraka izany ny any Manakambahiny Ambaton­dra­zaka, faritra Alaotra Mangoro. Nidina ifotony nijery ny toerana hananganana ny fotodrafitrasa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), niaraka tamin’ny teknisian’ny Jirama, omaly 9 janoary. […]

Vary simba any Toamasina : 35 kitapo saika haondrana any Taolagnaro

Mitohy ny fahatraran’ny zandary ny fikasana hanapariahana vary simba sy lo eto Toamasina. Sarona tao anatin’ny sambo iray « M/S Baleine », ny alin’ny talata 9 janoary teo koa ny vary milanja 30 taonina. Nahazo loharanom-baovao hafa koa ny zandarimaria eto Toamasina. Nisy sambo iray, «M/S Ba­leine», ao amin’ny seranan-tsambo mitondra vary […]