Fotoana iray hanaovana jery todika izao faran’ny taona izao ary hanombanana sy hametrahana koa ny vina ho an’ny taona vaovao. Hiompana amin’izany ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy hariva, amin’ny 7 ora amin’ireo haino aman-jery rehetra. Tombanana fa hitanisa ny ezaka sy ny dingana vita tao anatin’ny herintaona ny […]
Politika
Ceni : “Tsy ny famoahana daty no hibaiko ny antoko”
“Tsy ny famoahan’ny Ceni anio ny vanin’androm-pifidianana no mibaiko ny antoko politika tsirairay avy hiomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana na sanatria sakana tsy ahazoany miomana amin’izany”, hoy ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny antoko politika sasany ny hamoahan’ny Ceni ny datin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Na hambara […]
Fivoriana tsy ara-potoana: angatahin’ny depiote sasany
Tsy mbola milamina? Na tsy amin’ny serasera sy ny fifandraisana… Na nifarana aza ny fivoriana ara-potoana faharoa, misy ny depiote nilaza hangataka ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana ny amin’ny fitantanam-bola eny anivon’ny Antenimierampirenena. “Izahay aloha dia hangataka an’izay fivoriana tsy ara-potoana izay, ary tsy maintsy tonga amin’ny fifampiresahana”, hoy ny […]
Fanisana mpifidy: tsy ampy ny fanentanana eny ifotony
“Amin’ny ankapobeny, mavitrika amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena. Na izany eo, raha ny marina: eo koa ny tsy fahampian’ny fanentanana”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana amin’izao. Mandeha tsara amin’ny ankapobeny ny […]
Hafatra Noely: miantso fandinihan-tena tsy hifampihantsiana ny FFKM
“Mitarika antsika handini-tena ao anatin’ny fanetren-tena ny Filazantsaran’ny famonjena, ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin’ny fahalovana sy ny ratsy fanao”, hoy ny hafatry ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), noho ny fahatongavan’ny Noely 2022. Niaingan’ny fanambaran’izy ireo ny hoe: “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy […]