Nijery ifotony sy nanara-maso ny fizotry ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny iraka mpanara-maso eo anivon’ny Sadc, omaly. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, izy ireo. Nitondra fanazavana tamin’ireo delegasion’ny Sadc ny fomba fanatanterahana ny dingana, mialoha ny hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana ireo mpiasa eo anivon’ny Ceni, omaly. Nampahafantarina azy ireo […]
Politika
Rakotoarisoa Florent : “Tsy mety loatra ny fanakianana”
“Tsy mety loatra ny fanaovana fanakianana ny fanapahan’ny HCC. Tsy mety loatra ny ataon’ny mpanara-maso iraisam-pirenena amin’ny fanakianana mamaivay. Eo koa ny ataon’ny samy Malagasy, eo ireo milaza ho mpahay lalàna, mpisolovava, mpitsara, profesora… “, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, ny herinandro teo. Nambarany fa noho ny firenena mila […]
FIVONDRONAmben’ny eveka : hihaona amin’ny papa Fransoa any Vatican
Nambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien omaly, fa hihaona amin’ny papa Fransoa ny eo anivon’ny biraon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ity herinandro ity. Efa fanao isan-taona ny fihaonana tahaka izao, ankoatra ny fihaonan’ny eveka rehetra amin’ny fiketrahana Masina, isaky ny 5 taona, araka ny nambarany. ”Horesahana aminy ny momba ny fiainam-pirenena, indrindra […]
Voka-pifidianana : Anjakan’ny kandidà Rajoelina ny faritany enina
Navoakan’ny Ceni, omaly, ny fironana amin’ny voka-pifidianana amin’ny faritany enina. Mbola mitarika ny kandidà Rajoelina raha ifandimbiasan’ny kandidà Ravalomanana Marc sy Randrianasoloniaiko Siteny kosa ny laharana faharoa. Nahazo ny salanisa 62% ny kandidà laharana fahatelo eto amin’ny faritanin’Antananarivo raha ny voka-pifidianana nivoaka omaly hariva. Eo amin’ny laharana faharoa, nahazo ny 19% […]
Antoko MMM : “Haverina ny tany tan-dalàna”
« Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina tany tan-dalàna i Madagasikara », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo, teny Ankerana, raha namory ireo mpikambana. Nanteriny fa tombontsoa iombonana no tadiavina rehefa manao politika. Tsy manao fitaovana ny hafa fa hiady ho an’ny vahoaka. […]




