Hambaran’ny Ceni anio, eny Alarobia, ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery ny kandidà laharana fahatelo. Ho “1er tour dia vita”! Hanambara amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena vonjimaika ny Ceni, anio maraina. Tsy hisy fiovana firy antontan’isa nivoaka omaly hariva ny ho fironana hivoaka. Mitarika amin’ny salanisa […]
Politika
Fikirakirana fifidianana : hamoaka vokatra ofisialy ara-potoana ny HCC
“Efa miasa izahay, fa tsy miandry ny valim-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Efa misy antontan-taratasy avy amin’ny Vaomiera mpanisa vato (SRMV) isaky ny distrika tonga eny amin’ny HCC. Raha andrasana […]
Justice et Paix : nilamina ny fifidianana na hafakely aza
“Azo lazaina hoe hafakely iny fifidianana filohan’ny Repoblika iny izay nisy savorovoro politika, raha oharina amin’ny fifidianana nisy hatramin’izay”, hoy ny tatitry ny fanaraha-maso fifidianana nataon’ny Justice et Paix nentin’ny sekretera jeneraliny, ny pretra Andrianasolo Sata Jean-Noël. Tsy hoe tsy manara-dalàna na tsy ara-drariny ny dikan’ny hoe hafakely, fa ny […]
Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana : miandry ny fitoriana miaraka amin’ny porofo ny HCC
Mba tsy ho resabe fotsiny. Miantso sy manentana ireo nahita tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ny eo anivon’ny HCC. Nametraka fepetra momba izany anefa izy ireo. “Tokony hametraka fitoriana ireo nahita trangana tsy nanara-dalàna nandritra ny fifidianana. Na izany aza, ilaina miaraka amin’ny porofo izany”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent. […]
Fiombonana : “Tsy tokony hiandry krizy vao hifampiresaka”
“Ilaina ny fifanakalozan-kevitra. Tsy hoe hiandry krizy vao hifampiantso sy hifampiresaka isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fivoahan’ny fironan’ny voka-pifidianana vonjimaika amin’izao. Betsaka, ohatra, ny tsy ara-dalàna hitan’ny kandidà lah. 13, izay efa avoakany tsikelikely. Midika izany fa tsy maintsy hanohitra ny voka-pifidianana […]




