Politika

Fiaraha-miasa amin’i Egypte: hampitomboana ny isan’ireo hisitraka vatsim-pianarana

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny ambasadaoron’i Egypte, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny niatrika iza­ny fihaonana izany ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ity Andriam­pan­jakana ity, misahana ny fampiasam-bola sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Rabetsaroana Sylvain. Ni­voitra tamin’izany fa mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny […]

Sendikan’ny mpiasa Saps : “Takinay ny hialan’ny tale jeneralin’ny Instat”

Tonga amin’ny tsy azo anoharana intsony ny fitakiana. Naneho ny heviny, momba ny olana eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat) ny “Syndicat autonome du personnel de la statistique- Saps”, ny zoma teo. Nohi­tsin’izy ireo fa tsy miaro velively ny tale jeneraly ity sendika ity. “Ao an-damosin’ireo mpiasa niharan’ny antsojay […]

Fampandrosoana : mamondrona ny heriny ny Betsi-Groupe

Miezaka ny hametraka amin’ny toerany ny firaisankinany ireo tanora zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, eo anivon’ny Betsi-Groupe. Ta­fiditra amin’ny fampandrosoana ny any an-toerana izany. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo ny hetsika koltoraly sy fanatanjahantena ka nampiainana mivantana ny lalao famaranana ny “Mondial” ny alahady teo. Notanterahina teo amin’ny […]

Fanonganana ny birao maharitra : nampitandrina ireo depiote namany Ramaherijaona

“Tsy fotoana hanakorontanana ny birao maharitra izao”, hoy ny depiote IRD, voafidy tany Tsiroanoman­didy, Ramaherijaona Haja­nirina. Miasa sy miezaka mitady ny hampihodinana io andrimpanjakana io izy ireo. Manana ny fizakan-tena amin’ny tetibola ny Anteni­mierampirenena. Misy ireo depiote mikononkonina hanongana ny birao maharitra ary mivoy izany eny amin’ny haino aman-jery. Zony […]

Minisitry ny Atitany: “Iray tapitrisa ireo efa nahazo karapanondro”

Nanao tombana ny efa vita amin’ny hetsika fizarana kopia faobe sy karapanondrom-pirenena ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa zo fototra ny fisitrahana izany. “Efa mahatratra any amin’ny iray tapitrisa ny olona na­hazo karapanondro amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy noho ny hetsika goavana ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny […]