Namoaka ny fehinkevitra taorian’ny fihaonana samihafa nataony ho an’ny eto an-toerana sy ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vovonan’ ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), sy ny FFKM. “Tokony haato ny zotram-pifidianana ary hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana hifanaraka amin’ny lamina iraisam-pirenena araka ny toromariky ny Sadc sy ny Vondrona eoropeanina”, […]
Politika
Kandidà Andry Rajoelina: “Hampiakarina ny fari-piainan’ny tantsaha”
Nitohy tany Alaotra Mangoro ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nihaona taminy ny vahoakan’i Tanambe sy Amparafaravola ary Ambatondrazaka. Nitodika amin’ireo tantsaha any an-toerana ny tenany. “Maro ireo mpitondra nifandimby fa ny nanao velirano ihany no nahavita… Vitantsika izao ny lalana RN44. Voalohany isika amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa”, hoy […]
Fihaonana teny Tsimbazaza: hamoaka ny fehinkevitra ireo mpanelanelana, anio
Hivoaka, anio hariva, raha tsy misy ny fiovana ny fehinkevitry ny fihaonana mikaton-trano natao teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nitarika ny fanelanelanana tamin’izany ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny filohan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, ary ny jeneraly misotro ronono, Ramakavelo Desiré. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny vondron’ny kandidà 10 […]
KMF/Cnoe: “Miharatsy ny kalitaon’ny fampielezan-kevitra”
Nanao tatitra ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly, tetsy Antanimena. Anisan’ izany ny momba ny zotram-pifidianana ka nilazan’izy ireo fa ny omaly tsy miova ihany izany. “Mihen-danja sy miharatsy kalitao ny fampielezan-kevitra. Tsy ampy ny fanabeazana sy fanaikana ny mpifidy ataon’ny Ceni eny amin’ny haino vaky jery […]
Kandidà laharana fahatelo: « Ho atao manakaiky kokoa ny vahoaka ny fampandrosoana.”
Nanome toky ny vahoakan’ny faritra Sava ny kandidà laharana fahatelo ny hitohizan’ny fananganana fotodrafitrasa mba hampisy fampandrosoana bebe kokoa eny ifotony. Nandritra izany ihany koa no nanolorany vahaolana mahakasika ny vidin’ny lavanila. Nitohy tany amin’ny distrika maro, ao amin’ny faritra Sava, ny fampielezan-kevitry ny kandidà, Rajoelina Andry. Tao amin’ny kaominina Ampanefena, tao Andapa ary […]




