Politika

Faritra Analamanga : Voatendry ho governora Andriatsimihetry Ramesy

Anisan’ny nisongadina ta­min’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny fa­nendrena mpiasam-panjakana ambony. Voatendry ho governora hisahana ny faritra Analamanga, mpisolo toerana, Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Efa nisahana ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ity faritra ity ny governora misolo toerana, nanomboka ny 11 avrily 2022. Tsy vahiny amin’izany asa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra […]

Fanahimanana Tiaray: “Manohitra ny demokrasia ny tsy fanaovan’ny kandidà fifidianana”

Ahoana ny amin’ny tsy fanaovan’ny kandidà sasany fampielezan-kevitra sy fifidianana amin’ izao? Manohitra ny demokrasia izay, raha ny fijerin’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray. Fanehoan-kevitra… “Tena manohitra ny demokrasia ny fanaovana ankilabao na tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Mieri­treritra ny olona fa safidy ny fanaovana izany, nefa lasa voafafa ao […]

Zotram-pifidianana : mafana ny rantsamangaikany ny Ceni

“Ny maha zava-dehibe izao fanofanana ny mpampiofana izao, ahazoana mahafantatra ny votoatin’ireo antontan-taratasy sy rindrambaiko. Izy ireo ihany koa no hampiofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Ceni, Andria­narisedo Dama Arsène, nanomboka ny fanofana ireo rantsamangaikan’ny Ceni tany Mahajanga, faritra Boeni, afakomaly, izay nifarana omaly. Iankinan’ny fahombiazan’ny fifidianana […]

Kandidà Rajoelina Andry: “Hanakaiky vahoaka sy hijery ny tantsaha isika”

Nitohy tany Analavory sy Soavinandriana, any Itasy, ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Nampanantena ny tenany fa hojerena koa ny tantsaha. Nambarany fa hifanohana hatramin’ny farany ho amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny vahoakan’ny faritra Itasy. Notsia­hiviny fa fotodrafitrasa tsy vita tao anatin’ny taona maro no naorina […]

Hetsikin’ny kandidà 11: nirava maina toy ny mahazatra ny diabe

Notanterahina omaly, na­nomboka teny Andranomena hatrany Mandrosoa Ivato, ny diaben’ireo kandidà 11. Toy ny mahazatra, samy nirava maina ny rehetra teny an-toerana. Andaniny, ny mpitarika nandao ny mpanara-dia fa hamonjy fivoriana. Ankilany, ny mpanara-dia niverina na­nohy ny asa andavanandrony. Tsy miova ny vontoatin’ny fitakiana: ny tsy hirotsahan’ny filoha teo aloha, […]