Sorona hatrany ny tanànan’Antananarivo Renivohitra rehefa misy hetsika politika. Tsy manaiky ny tanànan’Antananarivo ho kianja fanaovana izany intsony ny tomponandraikitra, araka ny nambaran-dRavololomanana Lalatiana. Naneho ny heviny momba ny hetsiky ny kandidà 11 Ravololomanana Lalatiana, mpanolotsaina monisipaly sady mpanao politika. Tao anatin’izany no nilazany fa tsy kianja fifandonana ny tanànan’Antananarivo, […]
Politika
Sendikà SMKAR : “Efa mamaha olana izahay”
Nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Raharijaona Jean François, fa anisan’ireo voaantso hitokona hampikatso ny asa izy ireo. Mpikambana feno eo anivon’ny Valaben’ny sendikà SSM izy ireo. Notsindriny anefa fa anatin’ny “Collectivité territoraile décentralisée – CTD” ka manana ny sata manokana mifehy azy noho izy […]
Ravalitera Jacques Michaël : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana”
Ho an’izay mbola misalasala? “Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ara-demokratika no hanatanterahana an’izany”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni sady mpiahy ny faritan’i Toamasina amin’ny fanatanterahana fifidianana, Ravalitera Jacques Michaël, tany Toamasina, afakomaly, ny amin’ ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny Ceni amin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato. Efa […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Hampiakarintsika ny fari-piainan’ny vahoaka”
Nitohy teny Atsimondrano ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Nambarany tamin’izany ny fampanantenana ho amin’ny fe-potoam-piasana manaraka. “Tsy hisy intsony ny ho hadino. Hampiakarina ny fari-piainan’ny vahoaka ary hampitomboina ny fidiram-bola. Hojerena akaiky ny tsy an’asa sy ireo marefo ary ho tonga isan-tokantrano ny fanampiana”, hoy izy teny Itaosy. […]
Razanatoandro Solofo : «Ny fifidianana ihany no vahaolana»
Toy izao ny vontoatin-dresaka nifanaovana tamin-dRazanatoandro Solofo, filohan’ny Antoko AKFM. Gazety Taratra (*): Manahoana ny hevitry ny AKFM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny? Razanatoandro Solofo (-): Tsiahiviko aloha fa efa tamin’ny 10 novambra 1958 no nivondrona ny antoko. Olona 10 tamin’izany fotoana no nanorina ny AKFM. Nanohitra ny fitondrana neokolonialy izahay […]




