Politika

Fanaovana tombana: nifampidinika momba ny fifidianana ny Sadc sy ny FFKM

Tsy azo ihodivirana koa ny fiangonana. Anisan’ny nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny eo anivon’ny birao foiben’ny FFKM. Natao teny Ambohimanoro izany, omaly ka voaresaka ny tombana sy ny fanomanana ary ny fikarakarana fifidianana. Anisan’ny votoatin’ny dinika ny fahitan’ny fiango­nana ny fanomanana ny fifidianana sy ny fikarakarana izany ary koa […]

Depiote Rajoelina Seth: “Voajery ny sosialim- bahoaka “

“Niavaka lalàna mifehy ny tetibola (LFI) isan-taona hatramin’izay naha solombavambahoaka izay ny amin’ity. Satria hita hoe voarafitra sy voatsinjara tsara ilay izy, indrindra ho an’ireo minisi­tera miandraikitra ny lafiny sosialim-bahoaka: ny mponina, ny rano, ny fambolena, ny fahasalamana, ny fampianarana”, hoy ny depiote , Rajoe­lina Seth. Izay sosialim-bahoaka izay no […]

Ramamimampionona Gérard: “Tena famotehana firenena ny zava-mahadomelina”

“Tena famotehana ny maha olona sy ny firenena ny zava-mahadomelina”, hoy ny mpan­dinika fiarahamonina, Rama­mimampionona Gérard, ma­noloana ny fidirana sy fiparitahana zava-mahadomelina eto Madagasikara amin’izao na tsy misy miresaka firy aza tato ho ato izay. Rehefa domelina ny tena, mitavana ny eto an-toerana ny hafa. Variana amin’ny zava-mahadomelina ny sasany […]

Andriamalazaray Andoniaina : “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana”

Mby aiza ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana amin’izao? Hatramin’ny fanomanana ny fikarakarana fifidianana… Maneho fijeriny ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): 37% amin’izao ny taham-pisoratana anarana amin’ ny lisi-pifidianana. Ho vita amin’ny faran’ny taona […]

Antenimierandoholona: hiara-kiasa amin’ ny Indianina

“Manana fandaharanasa isika izay napetraky ny filo­han’ny Repoblika amin’ny fananganana indostria manerana ny distrika 119 eto Madagasikara. Mifanentana amin’izany tinady izany ny haitao indianina, ary tokony hojerena akaiky izay mba hahazoana miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’i […]