Politika

Toe-draharaham-pirenena : miantso fifampiresahana maika ny Fiteva

Nivoaka amin’ny fahanginany ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fiteva). “Manainga am-panajana ireo mpanao politika izahay hiresaka sy hifanakalo hevitra mba hikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka. Tratra farany hatrany ny vahoaka noho ny adilahy”, hoy izy ireo tetsy Tsimbazaza, omaly. Niantso ny zanak’iny faritra iny ny Fiteva tsy ho tafiditra […]

Hetsika teny Itaosy : zaza roa safotry ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy nandritra ny hetsik’ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy, omaly. Nisy ireo torana sy naratra. Tamin’ny 12 ora sy 37 minitra katroka, nirefotra voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso na­taon’ny zandary nanao sakana tetsy Betavoahangy Itaosy, omaly. Niainga teo Antanika­tsaka ireo kandidà 11 sy ny mpomba azy […]

CNIDH: “Atsaharo ny herisetra sy ny fihantsiana”

Namoaka fanambarana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, mifandraika amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. “Aoka atsahatra ny teny sy fihetsika feno fihantsiana ka miteraka fifandonana eo amin’ ny samy mpiray tanindrazana”, hoy izy ireo. Anisan’ny iantefan’ny antso ny fanjakana, olom-boafidy, Andrimpan­jakana, mpanohana sy ny […]

Depiote IRD: “Helohinay ny lahatenin-dRazanamahasoa Christine”

Nanao fanambarana ireo depiote maro anisa miaraka amin’ny tsy miankina, omaly. “Manameloka sy mitsipaka tanteraka ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimieram­pi­re­ne­na, Razanamahasoa Chris­tine, tamin’ny fanokafana ny fivoriana, ny talata teo izahay”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa tsy nifampierana sy tsy nifanekena ny nambarany. Tsy maneho ny hevitry ny depiote maro anisa […]

Fahamatorana fa tsy fahatahorana politika

Amin’ny fifidianana toy izao, tenenina mandrakariva ny hoe vahoaka tompon’ny teny farany, masi-mandidy, andriamanjaka. Mby aiza? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena mahalala ny ataony sy izay fanapahan-keviny amin’izany ve? Na hoe avoivoin’ny rivotra fotsiny na manaraka ny onjany… Izay ironan’ny besinimaro no heverina sy ekena ho mety sy marina […]