Nampahafantatra ny fanohanany ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ireo antoko miisa 13 mivondrona eo anivon’ny Armada. Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ihany koa izy ireo. “Manameloka ny fitadiavana savorovoro politika na fandatsahan-dra, hamono ny firenena izahay. Tsy mendrika hiaina korontana na krizy iniana volena ny vahoaka”, hoy ny fanambarana, novakian’ny filoha nasionalin’ny AKFM Fanavaozana, […]
Politika
FFKM : nihaona tamin’ireo filohan’Andrimpanjakana
Nifanesy noraisin’ny eo anivon’ny FFKM, tetsy Ampandrana, omaly, ireo lehibena Andrimpanjakana. Samy noferana 30 mn avy izany fihaonana izany. Niditra voalohany, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Tsy azo ihodivirana fa ny antony tsy nandraisany ilay fahefana ka namindrana izany any amin’ny governemanta ifarimbonana no votoatin’ny fihaonan’izy ireo. Nitohy amin’ny fandraisan’ny […]
Fanamorana nataon’ny ACM : afaka manafatra angidimby avokoa ny kandidà
Nitondra fanazavana momba ny fahazoan’ireo kandidà mampiditra angidimby ny tale jeneralin’ny ACM, i Damasy Gervais, omaly, teny Tsimbazaza. Efatra ireo kandidà efa nangataka sy nahazo alalana hanafatra izany hatramin’izao. Nambarany tamin’izany fa nofoanana ilay fe-potoana roa volana mialoha afahana manao ny fangatahana ahazoana manafatra izany. “Noraisina izany fepetra manokana izany […]
CUA-Polisy monisipaly: mankalaza ny faha-23 taona nijoroany
Orimbato najoro etsy Ankasina. Io no nentin’ny Polisy monisipaly nanamarika ny faha-23 taona nijoroany, omaly. Nanatrika ny fotoam-pankalazana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nankalazaina omaly ny faha-23 taona nijoroan’ny Vondrona polisy monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Izay tarihin’ny lehiben’ny vondrona, ny Commissaire Ostrom Whenss. Ho fanamarihana izany, nanolotra orimbato ho […]
Fiatrehana fifidianana: mitohy ny asan’ny iraky ny ONU
Nandray avy hatrany ny iraky ny Firenena mikambana (ONU), notarihin’i Parfait Onanga Anyanga, tetsy Ampandrana, ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly. Tafiditra amin’ny fiomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana izany. Naharitra ora iray mahery ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary tsy nisy nipika ny dinika sady tsy […]




