Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy tany Betafo ny samboadin’ny depiote, avy amin’ny mpanohitra. Nanamafy ny maha hery mpanara-maso azy izy ireo. Nahitsy ny lahatenin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena sady lehiben’ny mpanohitra, Randrianasoloniaiko Siteny, tany Betafo, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy hikoso-maso isika amin’ny fanaraha-maso hentitra ny asan’ny fanjakana”, hoy izy. Nohamafisiny […]
Politika
Kaominina Antananarivo Renivohitra: PDS vaovao Ramanantsoa Harilala
Nametra-pialana ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard. Nasolo azy, mandray ny asany avy hatrany Ramanantsoa Harilala. Tsy afaka miandry ny raharaham-panjakana! Notendrena omaly, ny filohan’ny delegasiona manokana vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Nandimby an-dRamanambitana Richard izy, izay nametra-pialana noho ny antony ara-pahasalamana. Mandray ny asany avy […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Antananarivo, Rinah Rakotomanga, fa vonona sy miasa ny ekipany ka tsy misy atahorana ireo mpifaninana aminy. “Efa ela isika no naniry hilatsaka ben’ny Tanànan’Antananarivo saingy izao vao tanteraka”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy miaraka amin’ny fitondrana amin’izao intsony ny tenany nefa tsy mpanohitra ihany koa. […]
Fanahimanana Tiaray: “Marin-toerana matoa voafidy hitarika ny Sadc”
“Matoa ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc nanao tolo-kevitra hoe i Madagasikara no hitarika ny Sadc, hita hoe firenena efa manana fahamarinan-toerana politika izany i Madagasikara”, hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, ny amin’ny handraisan’i Madagasikara ny fitarihana ny Sadc sy fihaonana an-tampony amin’izany amin’ny 2025. Raha firenena mikorontana, […]
Birao politikan’ny MMM, Ramaroson Laurent: “Sarotra ny hanantena an’io governemanta io”
Maromaro ireo mpanao politika naneho hevitra, taorian’ny fitsanganan’ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Anisan’izany ny eo anivon’ny birao politikan’ny MMM, Ramaroson Laurent. Nambarany fa afaka telo volana na hatramin’ny faran’ny taona any vao tena hihodina tanteraka sy ho afaka hampandeha ny raharahany avokoa ireo minisitera ireo. Mbola olana hafa koa ny […]