Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nambarany fa tsy ny teny no manova. « Ny fomba fisainana no manova ny lalana », hoy izy raha naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena. Nanteriny, tamin’izany, fa afaka mifampiresaka rehefa mipetraka ny fifampitokisana. Afaka […]
Politika
Fivorian’ny Vondrona Afrikanina : Hiady ny hanafoanana ny sazy ny delegasionina malagasy
Efa any Addis Abeba, andro maromaro, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina (UA). Mitarika azy ireo amin’ny fandresen-dahatra any an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anisan’ny nandray ny minisitra tamin’izao diany any Addis Abeba izao ny filohan’ny vaomieran’ny UA, Mahamoud Ali Youssouf, omaly. Nambaran’ ny delegasionina […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga any Toamasina mijery ny zava-misy ireo eveka tarihin’ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Nitondra fankaherezana ho an’ny kristianina sy ny vahoakan’iny faritra iny ny tenany. Niantso ny rehetra hitondra fanampiana sy fanohanana ho an’ny diosezin’i Toamasina ny fivondronamben’ny eveka noho iny voina iny. Mampitandrina ireo rehetra manararaotra mangalatra ny […]
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Tsy azo andeferana ny fanodinkodinana fanampiana traboina”
“Tsy andeferana ny fanodinkodinana fanampiana na fanaovana kolikoly amin’izany”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara na ny solontenany teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, afakomaly. Manoloana ny voina mahazo an’i Madagasikara noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny fihaonana. Ao anatin’ny […]
Hafatry ny FFKM amin’izao voina izao: « Atsaharo ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa »
Namoaka fanambarana sy hafatra koa ny eo anivon’ny FFKM, taorian’ny antso nataon’ny Evekan’i Madagasikara sy ny foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny rehetra izy ireo manoloana izao voina eto amin’ny firenena izao. «Manentana ny rehetra izahay mba hanalavitra ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa ao anatin’izao voina izao », hoy ny hafatry […]




