Havaozina ny drafi-paritra fitantanana ny loza sy ny tandinon-doza mba hananana drafitra maty paika mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, araka ny atrikasa natao tany Sava, omaly. Nambaran’ny eo anivon’ny BNGRC, Andriatsimiala Sariaka, fa tanjona ny ahafahana manamafy ny fahaiza-miatriky ny solontenam-panjakana any ifotony amin’izany. Hanamarika ny Andron’ny vehivavy 8 marsa koa […]
Politika
Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy misy sarany ny famangiana voafonja”
Fanamafisana, fampahatsiahivana… Ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. “Tsy misy sarany ny famangiana ireo voafonja manerana an’i Madagasikara izay ahitana karazany roa. Ny famangiana ho an’ny olona tsy mbola voatsara, ary ny famangiana ireo efa voatsara”. Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Tsy maintsy manana ny fahazoana kosa ireo […]
Filoha Rajoelina Andry: “Hamboarina manontolo ny lalana Tanà-Mahajanga”
Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Mahajanga ny momba ireo fanamboarana fotodrafitrasa samihafa. Eo koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka. “Hamboarina manontolo ny lalam-pirenena faha-4 miainga any Antananarivo hatraty Mahajanga”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, tany Mahajanga, omaly. Nambarany koa ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara amin’ny […]
CUA sy ny skoto : Nanao soniam-piaraha-miasa
Tontosa omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny skoto rehetra (miisa valo) eto Madagasikara. Niray hina sy niray saina izy ireo mba hifanome tanana amin’ny kaominina mahakasika ny fanentanana ny mponina amin’ny fanabeazana olom-pirenena. Eo koa ny fifanomezan-tanana manoloana ny fiakaran’ny rano sy […]
Rasambany Alain Desiré: “Atsaharo ny fankahalana sy fanaratsiana”
Naneho ny heviny manoloana ireo lahateny samihafa tany Toliary, nidinan’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, afakomaly, ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa anaty krizy sosialy ny any atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. “Tsy mendrika ireny serasera miendrika fankahalana sy fanaratsiana ny hafa ary fidokafan-tena ireny. Atsaharo fa […]