“Betsaka ireo lalana feno lavadavaka, mbola maro ireo toerana misy fako. Ny fanadiovana aloha no laharam-pahamehana, alamina faran’izay azo atao”. Io ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ralambomanana Feno, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rajonson Zaratiana Finaritra, teny amin’ny […]
Politika
Minisitra Ernaivo Fanirisoa : “Misy ifandraisany ny Raharaha Kly R. Patrick sy ny Gen Z”
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, omaly, teny Tsimbazaza. Nambarany tamin’izany fa misy ifandraisany ny ”Raharaha Kly Rakotomamonjy Patrick sy ny Gen Z. “Tiana ny manazava ny saim-bahoaka fa ireo tanora voatazona dia voarohirohy amina raharaha voalaza teo aloha”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo […]
Razanamahasoa Christine: « Tsy azo ekena ny fambolena korontana »
Nivoaka amin’ny fanginany ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine. Hentitra ny fanehoan-keviny. «Manameloka amin’ny fomba rehetra ny tetika sy fikasana hamboly korontana eto amin’ny tany sy ny firenena izahay. Eo koa ny fikasana hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ary ny fampahantrana ny firenena », hoy izy, omaly tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Nambaran’ity […]
Administratera sivily: Hiatrika dinika nasionaly eny amin’ny CCI Ivato
Hanatanteraka fihaonambe nasionaly, ny 24 avrily ho avy izao, ao amin’ny CCI Ivato ny antokon-draharahan’ny Administratera sivily. Fantatra izany nandritra ny fihaonambem-paritra Atsinanana nataon’ny antokon-draharahan’ny Administratera sivily ato anatin’ny faritra Atsinanana, ny 31 marsa lasa teo, tetsy amin’ny trano fandraisam-bahiny Marina Beach – Salazamay, notarihan’ ny filoha nasionaliny, Rakotondramanana Solofotahina. […]
FANTINA sy FINTINA
Nanao fanambarana momba ny fisamborana ireo tanora naneho ny heviny, anisan’ny nandrodana ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna ny Seces. Nametraka ny ahiahiny izy ireo. « Tsy hisy ny tena fampandrosoana ny firenena fa ny omaly tsy miova ihany. Ambara hatrany fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanjakana izao », hoy izy […]




