Hanao ahoana izao toe-draharaha politika mafanafana izao? Fitoniana no ilain’ny vahoaka, raha ny fijerin’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasaomaromaka Hery. “Fitoniana no ilain’ny vahoaka amin’izao. Raha izao no mbola hisy korontana, iza no hahazo tombony amin’izany? Izany no mahatonga ny vahoaka tsy resy lahatra intsony amin’ […]
Politika
Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra : miavaka ny otrikarena any Fitovignany
Nisokatra omaly ary hifarana rahampitso ny “Journée internationales des régions” na ny Jir, ho an’ny faritra Fitovignany. Tafiditra amin’ny andiany fahafito izany ary tanterahina ao Manakara. Manana otrikarena maro toy ny fambolena, ny fiompiana tantely, ny fanodinana Lohamenaka “Huile essentielle”, ny harena an-kibon’ny tany ny any an-toerana. Mampiavaka iny faritra […]
Ceni : “Efa an-dalana ny karatry ny mpifidy”
“Raha ny tokony ho izy, efa an-dalana na efa eny amin’ny biraom-pokontany ny karatry ny mpifidy amin’izao”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Antony mety somary nahatratra aoriana izany amin’ny toerana sasany, nisy olana tamin’ny fanontana azy. Hasiana fitomboka koa ny karatra rehefa voatonta. Raha tratra aoriana […]
Rakotoarisoa Florent : “Aoka tsy holotoina ny HCC”
Anisan’ny voatonontonona matetika tato ho ato ka nitondra valin-kafatra ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, tetsy Ambohidahy. Nitondra fanazavana momba izany ny tenany. Anisan’ny noresahany ny momba ny antontan-taratasin’ny kandidà Rajoelina Andry sy ny dingana momba izany. “Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaranay ny manadihady ny […]
Andrimaso FFKM : « Aoka isika hiverina amin’ny tany tan-dalàna »
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Andrimaso FFKM, omaly. “Manainga ny rehetra izahay mba hampanjaka ny fahamarinana sy hiverenana amin’ny tany tan-dalàna”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny fanambarana ny antson’ireo filoham-piangonana amin’ny fandraisana andraikitry ny isam-piangonana eo amin’ny fiainam-pirenena. Notsiahivin’izy ireo fa tanteraka ny ahiahy amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny HCC. Eo ny nandraisana […]




