Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, fa tsy afaka hamela an’i Madagasiraka ohatra izao intsony isika satria tafiditra anaty fahasahiranana mafy ny firenena. “Anisan’ny antony miteraka izany ny fahitana fa tsy voahaja ny lalàna. Tsy misy intsony ny fatahorana an’Andriamananitra. Lasa mandainga sy mamorona ary mahavita ny mamitaka ny mpiray […]
Politika
Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana”
Nitondra fanazavana manoloana ny raharaham-pirenena ny praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana. “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana. Tsy ekena izany Tetezamita vaovao hitondra ao anatin’ny roa taona izany. Mazava ny lalana hizorantsika: fanajantsika ny lalàna velona eto Madagasikara. Mandala an’ izany […]
Vondron’ny Tanora Malagasy : “Ilaina ny fanarenana maika ny fitantanana”
Nambaran’ny eo anivon’ny Vondron’ny Tanora Malagasy (VTM), tarihin’ny filoha nasionaliny, Rakotomalaza Desiré, fa misy ny laharam-pahamehana tokony hapetraka eto amin’ny firenena. “Ilaina harenina ny fitantanana ary tokony hojerena maika izany”, hoy izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly. Nanterin’izy ireo fa anisan’ny antony naharesy lahatra azy ireo hiara-dalana amin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana […]
Fiatrehana fifidianana : efa mandeha ny fanontana ny biletà tokana atsy Afrika Atsimo
Nitondra fanazavana manoloana ny feo miely ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny tale kabinetra, Andriamifidy Jean Louis, fa tsy misy ny olana amin’ny fikarakarana ny biletà tokana. “Tsy marina sy tsy mitombina ny vaovao etsy sy eroa amin’ny filazana fa tsy afaka natonta indray noho ny toe-draharaham-pirenena ny biletà tokana, tokony […]
KMF/Cnoe : “Takina ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’ny fifidianana”
“Mitaky ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’izao zotram-pifidianana izao. Aza hadinoina fa ianareo izao no mitantana vonjimaika ny filoham-panjakana manomana fifidianana”. Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Very hasina ny Antenimierandoholona”, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Manamaloka ny zotram-pifidianana izao tranga izao, nefa aoka tsy ho antony velively hanemorana ny […]




