“Aty amin’ny firenena faran’ny mahantra i Madagasikara noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Mahatonga anay miteny, fa ny fitondrana izao no tena mahakizo fara ny vahoaka”, hoy ny depiote Tim, Ratsimbazafy Alain Jean. Tsy ho an’Antananarivo Atsimondrano ihany fa ho an’i Madagasikara. Eo ny fahapotehan’ny toe-tsaina; very ny soatoavina. Eo amin’ny […]
Politika
Paraina Auguste – Fizafafi: “Tsy nifanarahana ny fanaovana fanambarana politika”
Namaly ny lahateny tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo ny kandidà ho filoham-pirenena sady filoha nasionalin’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohitsiny fa niteraka alahelo sy fahasorenana ho an’ny sasany ny tranga niseho tany an-toerana. “Nifanarahana tamin’ny voalohany fa tsy hasiana fanambarana politika amin’iny hetsika iny. Samy manana ny […]
Tanora RMDM : “Malemy ny mpitondra”
“Manameloka ny fihetsika miendrika tsy fanajana demokrasia ataon’ny fitondrana amin’izao izahay. Tsy tanjaka fa vao mainka fahalemena ny fanakantsakanana olona aminay”, hoy ny filoha nasionalin’ny tanora RMDM, Ralaivahiny F., ny amin’ny sakana ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain’ny mpanohitra natao teny amin’ny Magro, Behoririka, ny faran’ny herinandro teo. Mazava ny tanjon-dry zareo. […]
Filoha nasionalin’ny Tim : “Hajao ny zo haneho hevitra sy ny demokrasia”
Nitohy teny amin’ny Magro Tanjombato ny hetsiky ny Tim, niarahana tamin’ny distrikan’Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny, taorian’ny sakana natao azy ireo tetsy Behoririka ny zoma teo. Nanteriny fa mahamenatra ireny fihetsiky ny mpitondra ireny… Tompon’ andraikitra nanome baiko ny […]
Lalàm-pifidianana : tsy mandà fanitsiana ny Ceni
“Zon’ny depiote ny mitondra hevitra toy izany. Raha mahazo ny fankatoavan’ny maro anisa eny anivon’ny parlemanta mpanao lalàna izany, tsy afa-kanohitra izahay”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny mpanohitra ny hanitsiana ny andinin-dalàna momba ny Ceni. Lalàna no mametraka sy maniraka ny Ceni amin’ny asany. Rehefa miova […]




