Politika

«Direction des combattants nationalistes» : miahy ireo bekotro maroholatra niady ho an’ny fahafahana

Rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Fitaleavana ireo mpiady tia tanindrazana na ny (DCN), etsy Analakely. Mpi­ahy ireo bekotro maroholatra niady ho an’ny fahafahana ary mikolokolo ireo vakoka mitahiry izany ity fitaleavana iray ity. Naorina taorian’ny tsirin-kevitra avy amin’Itompoko­vavy Gisèle Rabesahala, mi­nisitry ny Kolontsaina tamin’ izany fotoana izany ny […]

KMSI : “Hojerena ny iraisana amin’ny fikaonandoham-pirenena”

“Efa miteny an’io fikaonandoham-pirenena io avokoa ny rehetra, fa inona no iraisana aorian’izao zava-mitranga rehetra izao?” hoy ny mpitarika ny Komity miaro ny soa iombonana (KMSI) sady eo anivon’ny vondrona Panorama, Ran­dria­nirina Jean-Ignace. Misy ny fanantenana fa efa latsaka an-katerena ny firenena. Mbola misy olon-kendry ireo. Ireo raiamandrenim-piangonana. Angata­hin’ny KMSI […]

Minisitra R. Landy : “Hanakaiky vahoaka ny fitsarana”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy tamin’ny fanokafana ny atrikasa mom­ba ny serasera, tetsy Tsara­lalàna fa manana tamberin’ andraikitra amin’ny vahoaka ny fitsarana. “Tokony hanao fanambarana mazava sy mangarahara momba ireo raharaham-pitsarana sy ireo didy mivoaka isika. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona fitsarana manakaiky vahoaka sy azo itokisana izany”, […]

Fiainam-pikambanana Mandritsara : tsy manaiky hatao fitaovana politika ny Fizama

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Itaosy ny Fikambanan’ny zanak’i Man­dritsara, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny lahatenin’ny filoham-boninahitra, Navony Pierre Lenoble ta­min’izany. “Aoka tsy hanaiky hatao fitaovana politika isika zanak’i Sofia. Aza manaiky hosaraham-bazana sy ampiadiana”, hoy izy. Nanamafy izany ny filohan’ny Fizama, Tsiarovana Ber­gès Angelino ka nilaza fa […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy miova ny tsy fiandaniantsika”

“Zavatra roa nodinihinay tao. Voalohany, ny fanambarana navoakan’ny fitondram-panjakana malagasy milaza fa tsy miova ny toe­ran’i Madagasikara. Izany hoe tsy miandany atsy na aroa”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasaodoron’i Rosia azy, teny Anosy, afakomaly. Voaresaka tamin’ izany ny momba ny fehin-kevitra […]