Nifamory, nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Antanimena ny eo anivon’ny Vondrona Panorama, omaly. Ahitana ireo antoko politika maro sy fikambanana samihafa avy amin’ny fanoherana izany. Nisongadina tamin’izany ny resaka fifidianana. “Ilaina ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ka tokony ho tafiditra eo anivon’ny Ceni avokoa ny avy amin’ny mpanohitra sy ny […]
Politika
Jly Rakotoarijaona Josoa : “Zava-dehibe ny fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny mpitandro filaminana”
Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka ny famelabelarana ny fandaharan’asa nataon’ny MDN, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ,omaly… Tanjon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hiantoka tanteraka ny fandriampahalemana amin’ny sehatra rehetra na an-tanety na ana habakabaka na an-dranomasina, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena […]
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: hotendrena tsy ho ela ireo masoivoho
Anisan’ny fandaharanasan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla ary nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly ny hanendrena ireo masoivohon’i Madagasikara, any ivelany. “Hanomboka amin’ny alarobia izao ny fanendrena ny ambasadaoro any amin’ ireo firenena tsy mbola ananantsika solontena”, hoy izy. Nambaran’ny minisitra fa tafiditra anatin’ny velirano fahatelo ary mifandraika […]
Tsy fanarahan-dalàna: manaitra ny praiminisitra ny antoko Tim
Nanatitra taratasy teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ho an’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny antoko Tim. Nosoniavin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc izany. “Mangataka amin’ ny praiministra izahay mba handray ny andraikiny manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna , amin’ny maha lehiben’ ny OMC azy”, hoy ny votoatin’ny taratasy. Notsiahivin’izy ireo tamin’ izany fa manana […]
Minisitra, Randriamanantenasoa Landy: “Hohafainganina ny raharaham-pitsarana eo amin’ny ady tany”
Anisan’ireo minisitra nametraka ny laharam-pahamehany nanoloana ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra teny Iavoloha, omaly ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy. “Hojerena manokana ny ady tany ka hapetraka ny paikady fanafainganana ny fanadihadiana ireny antontan-taratasy ireny. Tsy mbola mijoro ny tribonalin’ny fananantany nefa tsy manakana ny hametrahana dingana izany hanafainganana […]




