Politika

Minisitry ny Atitany : “Efa alefa mialoha ny fanampiana”

“Alefa mialoha ireo fa­nampiana eritreretina omena an’ireo izay mety ho traboina vokatry ny fandalovan’io rivodoza io. Efa manao an’izany ny BNGRC amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, teny Antanimora, afakomaly. Mametraka ny tahiry amin’ireo toerana efa fantatra mialoha fa handalovan’ny rivodoza ry […]

Depiote Andriamampandry Todisoa : “Tokony hiova ny fomba fiasan’ny fitondrana”

“Aleo mba jerena ihany ny tombontsoam-bahoaka. Ny fomba fiasan’ny fitondrana no tokony hiova ha­tramin’ izay. Ny fijerena izay laharam-pahamehana no tokony hatao ho an’ny va­hoaka, fampihenana ny vi­dim-piainana”, hoy ny de­piote Tim, Andria­mampan­dry Todisoa. Mitovy ihany na ovana na tsia ny governemanta. Tsy hamaha ny fahasahiranam-bahoaka io. Ny fanovana azy […]

Fepetra mialoha ny fampielezan-kevitra: tsy hande­fi­tra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny Ceni

“Azo atao ny mamory olona, fa ny fitandroana fandriampahalemana no fepetra fototra iombonan’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Andraikitra tokony hifampiresahana mandrakariva ny amin’izay famoriana olona izay. Satria indraindray misy fanakantsakanana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Tsy manana fahefana ny Ceni amin’izay andraikiny amin’ny hoe famorian’ny […]

Banky iraisam-pirenena : “Miitatra ny fahantrana”

Noraisin’ny solontenan’ny birao maharitra sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza, omaly, ireo de­legasiona avy amin’ny Ban­ky Iraisam-pirenena, afakomaly. Voaresaka tamin’izany ny tatitra momba ny zava-misy eto amintsika. “Tena miaina anaty fahantrana ny maro ary hita fa miitatra any amin’ny renivohitra izany fahantrana izany”, hoy ireo vahiny. Notakin’ireto iraka ireto ny hanatsarana […]

Fanahiana korontana : noraisin’ny FFKM ny vovonana “Lera”

Anisan’ny nihaona tamin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny vovonana “Lera”. Tafiditra amin’ny dingana, mialoha ny fifidianana izany, hoy ny depiote Razara Pierre na i “Del kely”. Notaterin’ny solombavambahoaka Razara Pierre tao amin’ny fandaharana Miara-manonja (MM), ny herinandro teo fa ilaina ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra ary mangaraharaha. “Aleo misoroka […]