Politika

Fahasalamana manakaiky vahoaka: nijery ifotony ny fitsaboana mitety vohitra ny filoha

Nitohy teny Antsonjombe indray, omaly, ny hetsika fitsaboana mitety vohitra “Caravane médicale”, ankoatra ireo efa tanterahina any amin’ireo faritra. Anisan’ireo tonga teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry mivady. Mazava ny toromariky ny filoha amin’izao hetsika izao ny mba hampifanarahana tsara amin’ny aretina mahazo ny marary ny fanafody, omena azy ireo. […]

Profesora Rasamoelina Henri : “Samy mitaky praiministra avokoa ny fikambanana rehetra”

«Tsy hita izay maharatsy ny fanehoan-kevitra politika nation-dRtoa Razanamaha­soa Christine izay mitaky ny hisian’ny praiminisitra sy ny minisitra ao anatin’ny governemanta», hoy ny Profesora Rasamoelina, zanaky ny faritan’ny fianarantsoa raha na­nontaniana. Samy mangataka ny hisian’ny praiminisitra sy minisitra ao amin’ny governemanta avokoa ireo fikambanana rehetra manerana ny faritanin’i Madagasikara. «Tsy […]

HCDDED: “Aoka hohajaina ny fisaraham-pahefana”

“Miantso ny andrimpanjakana tsirairay mba samy hanao ny andraikitra ary samy hanao ny asa mifanandrify aminy. Asanay ny mampahatsiahy antsika amin’izany andraikitra izany. Aoka isika tsy hanao ny asan’ny hafa”, hoy ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), i Navony Pierre Lenoble. Tsy tombontsoan’olon-tokana no […]

Fifindra-monina an-drenivohitra : nanolotra paikady ho an’ny CUA ny OIM

Notanterahina omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny fanolorana ny paikady entina mandrindra sy mitantana ny fifindra-monina aty amin’ny tanàn-dehibe. Atoa Roger Charles Evina, lehiben’ny delegasion’ny OIM, namita iraka teto Madagasikara no nanolotra izany an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Mitondra tombontsoa ho an’ny tom­pon’andraikitra sy ny tanàna manontolo ny paik’ady. Anisan’izany […]

Fiaraha-miasa: hanao fanazarantena iraisana ny Tafika malagasy sy frantsay

Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ara-tafika ny firenena frantsay. Hisy, araka izany, ny fanazarantena iraisan’ny Tafika mala­gasy sy frantsay… “Mitohy hatrany ny fiaraha-mia­sa efa nisy ha­tramin’izay teo amin’i Mada­gasikara sy Frantsa izay niato noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ara-tafika izay […]